Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Tantara mikasika ny Fifidianana

23 Desambra 2019

Nitsikera ny fisamborana ireo delegasiona politika miisa 18 tany Mozambika ny fiarahamonim-pirenena

Delegasiona politika avy amin'ny antoko Demokrasia Vaovao no nosamborina satria voampanga ho nitondra fanomezan-dalana hosoka.

21 Desambra 2019

Ny tsy fahatongavan'i Cristina Fernandez de Kirchner sy ireo zavatra manitikitika mikasika ny fanokanana filoham-pirenena ao Arzantina

"Izao no fotoanan'ny fifampiresahana" ary nametraka fepetra fisorohana hanakanana an'i Cristina Fernandez de Kirchner ry zareo tsy hanatrehany ny lanonana"'

18 Desambra 2019

Firenena vaovao ao Pasifika? Nifidy ny fahaleovantena miala amin'i Papoà Ginea Vaovao i Bougainville

"Omaly ny raiko nandatsaka ny vatony tamin'ny referandaoma #Bougainville. Namoy rahalahy 2 aho nandritra ny krizy, ary tahaka ireo hafa tsy tambo isaina, mieritreritra ny lova fototry ny ady isan'andro. Enga anie isika hanana fiadanana maharitra."

06 Desambra 2019

Andao hikarajia Twitter amin'ny #WritingTowardFreedom an'ny Global Voices amin'ny 11 desambra 2019

GV Mpisolovava

Ahoana ny mahalasa fandrahonana ny fahalalaham-pitenenana antserasera eto Afrika ny kabary fankahalana foko, ny fahadisoana sy ny fandisoam-baovao, ny fandotoan-drindrina ataon'ny governemanta? Miaraha aminay amin'ity adihevitra ity ao amin'ny karajia Twitter.

04 Desambra 2019

“Mety hoe tsy jadona i Brezila, fa tsy mandala ny demaokrasia koa anefa”, hoy ny mpanora-gazety breziliana iray

Nataony mirazotra ny zava-nitranga tao Brezila tamin'ny taona 1968 sy tamin'ny taona 2018 ka nampîsaintsaina

01 Desambra 2019

Olona 3 tapitrisa tonga nandatsa-bato, resin'i Hong Kong ny isa ambony indrindra tamin'ny fandraisana anjara hatrizay

Raisina ho tondro goavana maneho ny hevitr'ireo olompirenena manoloana ny krizy pôlitika misy amin'izao fotoana ny voka-pifidianana, satria an-tapitrisany ireo mpandatsa-bato misafidy amin'ireo mpifaninana mpomba ny andrimpanjakana sy ny mpandàla ny demaokrasia.

29 Novambra 2019

Tsy demaokrasia raha maniry “filoham-pirenena mandrakizay” ireo mpifidy ao Roandà?

Notsikeran'ny mpanohitra sy ireo mpikatroka ny zon'olombelona ary koa ireo mpiara miombon'antoka ho an'ny fampandrosoana iraisam-pirenena tahaka ny Etazonia sy ny vondrona Eoropeana ny fitsapan-kevi-bahoaka tao Roandà tamin'ny taona 2015.

28 Novambra 2019

Midika ny fandresena miezinezina azon'ny pro-demaokraty tamin'ny fifidianana isan-toerana ao Hong Kong, fa maka sisiny i Beijing

Raha marina ny hoe te-hamerina ny filaminana ny vahoaka, maro no mahatsapa fa ny governemanta no voalohany nahatonga ny korontana.

26 Novambra 2019

Bolivia anaty krizy sady misaratsaraka: loharano ety anaty aterineto natao hahatakarana tsara ilay fifandirana

Aiza no hanombohana azy raha te-hahatakatra ny krizy boliviàna? Soritra vitsivitsy azo zohiana ety anaty aterineto.

18 Novambra 2019

Kiobà sy Etazonia : latsabato hanaovana fahirano

... tao amin'ny fivoriamben'ny Firenena Mikambana, nofidian'ny maro an'isa ny fanaisorana ny fahirano ara-toekarena napetrak'i Etazonia efa ho dimy amby efapolo taona atao amin'i Kiobà ambany fitarihan'ireo kaominista. (…) Ary mba manao ahoana izao ireo FIFIDIANANA MALALAKA sy ny DEMAOKRASIA ?