Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Avrily, 2018

Tantara mikasika ny Fifidianana tamin'ny Avrily, 2018

Tohin

Etazonia: “Voices without Votes” mijery ny adihevitra

  22 Avrily 2018

Rehefa miditra ao amin'ny tranonkalan'ny fifidianana Amerikana, Voices without Votes an'ny Global Voices ianao, dia azonao antoka fa afaka mahafantatra zavatra betsaka momba izay lazain'izao tontolo izao mikasika ny adihevitra androany alina eo amin'ny kandidà filoha lefitra Amerikana, Sarah Palin sy Joe Biden.

Pakistana: Veloma Musharraf!

  20 Avrily 2018

Ny rikoriko sy ny tsy fitiavana an'i Mushrraf ary izay momba azy akaiky ihany koa no tena navoakan'ny voka-pifidianana.....Ho hitan'ny vahoaka avy eo fa tsy izany mihitsy ilay demokrasian'izy ireo izay mety hoe ahitana "fikambanan-kery" marefo sy feno ady mandrakariva, ary hoe mbola voavidy vola toy ny tamin'ny voalohany foana ireo mpitarika azy ireo

Arabeyes: Alahelo An'i Bhutto

2007 - Tamim-pihetseham-po no nandraisan'ny tao Afovoany Atsinanana ny vaovao momba ny fahafatesan'ny Praiminisitra Benazir Bhutto. Tamim-pitandremana, fahatairana, fahatezerana ary fanekena ny tsy fisian'ny fanantenana ho an'ny taranak'olombelona no nanehoan'ireo bilaogera ny heviny.

Pakistàna: Nahoana No Bhutto, Ary Hanao Ahoana i Pakistan Ankehitriny?

  16 Avrily 2018

Manamafy ireo blaogera sasantsany fa na tsy manaiky ny politikan'i Benazir Bhutto aza izy ireo, na manohana ny antokony - Pakistan Peoples Party, tena zava-doza ny karazana fanafihana sahala amin'io ary azo hitarafana ny safotofoto izay ampoizina hiantraika ao Pakistàna. Asa fampihorohoroana no hilazan'ny Muslim Matters azy, ary melohiny ny herisetra atao fitaovana famahàna olana

Kyrgyzstan: Mihamafàna ny Vanim-potoana Politika

  16 Avrily 2018

''Tsy nampoizina ny fanapahankevitra vao haingana noraisin'i Bakiev handroaka ilay praiminisitra Almazbek Atambaev, izay taorian'ny naha-mpikambana mpanohitra mahery azy, dia lasa praiminisitra ary niasa valo volana monja. Niteraka resabe sy famoronana teny anivon'ireo blaogera izay antony nanaovan'ny filohan'ny fanjakana izany..''