· Novambra, 2011

Tantara mikasika ny Fifidianana tamin'ny Novambra, 2011

Liberia: Iza moa izany no tena resin'i Ellen Johnson ?

  20 Novambra 2011

Mbola nandresy ny fifidianana indray i Ellen Johnson Sirleaf ny Alakamisy teo tamin'ny fifidianana ho filoham-pirenena nokorontanin'ny mpanohitra any Liberia. MItady ny lalana ara-dalàna ny olon'ny mpanohitra, i Winston Tubman, mba hanafoananana ny fifidianana indray ny filoha Ellen Johnson-Sirleaf. Ireto misy santionana tsikera sy hevitra mikasika ny fifidianana avy amin'ny mpiserasera.

Goatemala: Fifandirana momba ny filoha voafidy

  17 Novambra 2011

Mpianatra maintimolaly nahazo diploma Amerikana sady jeneraly misotro ronono Otto Perez Molina no voafidy ho filoha any Goatemala taorian'ny fifidianana niady tokoa sady nifanipaka be ihany, nefa ny ankamaroan'ny mpifidy dia...

Ejipta: Sambory ny Sisa Tao Amin'ny Fitondrana Teo Aloha

Tamin'ny volana Aprily lasa teo, nandidy ny fandravana ny antoko politika nitondra ny firenena nandridra ny taona am-polony maro ny Fitsaràna Ejiptiana. Na izany aza dia mbola mijoro ireo mpikambana tao, ary nanolo-tena ho ao anatin'ny lisitr'ireo kandidà ho an'ny fifidianana parlemanta amin'ny volana Novambra. Jereo fa nifandray tànana ireo mpampiasa aterineto mba hampisehoana izany.

Korea Atsimo : Tsy Nampihemotra Ireo Mpifidy Ny Fampitandremana Natao Tamin'ireo Mpanentana Ao Amin'ny Twitter

  07 Novambra 2011

Ny Renivohitr'i Korea Atsimo, Seola, ny 26 oktobra 2011 dia nifidy ny ben'ny tanànany vaovao. Ny fiadiana ny toerana maha ben'ny tanàna dia tena ady goavana be teo amin'ilay vehivavy mpilatsaka ho fidiana avy amin'ny antokon'ny fitondrana sy ilay tsy mbola fantatra loatra izay avy amin'ny antoko demokratika. Na dia eo aza ny fampitandremana avy amin'ny manam-pahefana amin'ny fanehoana fiangàrana amin'ny kandidà iray, ireo mpampiasa Twitter anefa dia haingana dia haingana amin'ny fandrisihana ny olona rehetra tsy an-kanavaka hifidy.

Kolombia : Fifidianam-Paritra 2011

  02 Novambra 2011

Ny Alahady 30 oktobra 2001 no natao tao Kolombia ny fifidianam-paritra [teny espaniola] hanendrena izay ho olom-boafidy amin'ny fitantanana raharaham-bahoaka eny ifotony : governora, antenimieram-paritra, ben'ny tanàna, mpanolontsain'ny tanàna, ary ny antenimieran'ireo mpitantan-draharaha eny an-toerana. Arakaraky ny lanjan'ny toerana hofenoina, arahamaso akaiky ireny fifidianana ireny toy ny fanarahana ny fifidianana ho filoham-pirenena. Mailo tanteraka ny vahoaka mikasika io teboka io, ary izany dia tsapa hatranyt anaty fampahalalam-baovaon'olon-tsotra rehetra any sy eny amin'ny tambajotra sosialy.