· Febroary, 2011

Tantara mikasika ny Fifidianana tamin'ny Febroary, 2011

Côte d’Ivoire: Fanentanana ao amin'ny Twitter mba hisarihana ny sain'Anderson Cooper

Nitana ny anjara asany ny mpanoratra ao amin'ny Global Voices Anna Gueye tao anatina fanentanana vao hainagana handresena lahatra ny mpitatitra mora resen-dahatry ny CNN Anderson Cooper mba tena hijery ireo mpanohitra any amin'ireo firenena Afrikanina tahaka an'i Gabon sy Côte d’Ivoire, tahaka ny nataony tamin'ireo fikomiana tany Tonisia, Ejipta sy ny tontolo Arabo hafa.

27 Febroary 2011

Ejipta: Tena azo ekena ho safidy anoloana an'i Mubarak ve i Amr Moussa?

Niteraka fanehoan-kevitra samihafa ny eritreritr'i Amr Moussa, sekretera jeneralin'ny Ligy Arabo, sady mpanohana tsy misy fepetra an'i Mubarak teo aloha, ho lasa filohan'i Ejipta atsy ho atsy, raha mbola manohy miantsoantso ny fialàn'i Hosni Mubarak ny Ejiptiana efa ho 12 andro misesy izao. Ireto manaraka ireto ny sasany tamin'nyfanehoan-kevitra tao amin'ny Twitter

08 Febroary 2011