Tantara mikasika ny Fifidianana tamin'ny Jona, 2012
Ejipta: Mohamed Morsi No Filoha Vaovaon'i Ejipta
Mohamed Morsi no voatendry ho filoha vaovaon'i Ejipta. Tsindrian-daona ireo mpiondana aterineto miandry izay ho fanambaran'ilay filohan'i Ejipta manaraka.
Togo : Mihantsy an'i Faure Gnassingbé Eyadema Ny Fiaraha-mientana “Ndeha Hovonjena i Togo”
Nivadika ho fifandonana tamin'ny mpitandro filaminana ny diabe iray am-pilaminana nataon'ny fiaraha-mientana "Ndeha hovonjena i Togo" tamin'ny 12 Jona teo. Nanodidina ny 120 ireo naratra voarakitra an-tsoratra nandritra ireo fifandonana ny 12 sy 13 Jona. Isan'ny tafiditra ao anatin'ny fitakian'ireo nanao fihetsiketsehana ny fampiharana ny zava-boalazan'ny Kaomisionam-pirenena momba ny Zon'Olombelona...
Ejipta: Fihodinana Farany Amin'ny Fifidianana Ho Filoham-Pirenena An-Tsary
Ny 16 Jona, nantsoina hifidy ry zareo Ejiptiana, amin'ny fihodinana faharoa izay ho filoham-pirenena [...] tena mampanaintaina na dia ny hisafidy amin'ny mpirotsaka avy amin'ny Firahalahiana Silamo, Mohamed Morsi sy ny Praiminisitry ny fitondrana teo aloha, Ahmed Shafiq az
Ejipta: Milaza Fandresena Ny Mpirotsaka Ho Filoha Avy Amin'ny Firahalahiana Silamo
Nanambara i Mohamed Morsi, mpirotsaka avy amin'ny Firahalahiana Silamo, fa izy no nandresy tamin'ny fifidianana izay ho filoham-pirenena Ejiptiana, nandresy an'ilay praiminisitr'i Hosni Mubarak, Ahmed Shafiq, nandritra ny resaka ho an'ny mpanao gazety nataony tamin'ny 4 maraina tao Cairo ny 18 Jona
Bahamas: Famakafakàna Bilaogera Momba Ny Valim-pifidianana
Ny valim-pifidi-anana ankapobeny ny alatsinainy teo tany Bahamas no nanome governemanta vaovao ho an'ny firenena : ny Antoko Mirona Liberaly (Progressive Liberale Party na PLP), izay nipetraka tamin'ny toeran’ny mpanohitra tao amin’ny parlementa teo aloha, no voafidy ho eo amin’ny fahefàna, izay antsoin’ireo bilaogera hoe fandresena fikorisan'ny tany [goavana] . Nanao tomba-maso vetivety...
Ejipta: Dokam-pitsikilovana Tsy Mampino Avy Amin'ny Fahefana Miaramila
Namoaka dokambarotra ny fahitalavi-panjakana ao Ejypta, izay mampitandrina ny Ejypsiana tsy hiresaka amin'ny vahiny sy ny mpitsikilo. Naneho hevitra momba izany dokambarotra izany ny mpiserasera, tamin'ny fomba feno esoeso, ahiahy.
Meksika: Niteraka Adihevitra Ny Hetsiky Ny Tanora #YoSoy132
NIteraka fanontaniana sy hevitra teo amin'ny tranonkalan'ny tambajotra sosialy ny atao hoe hetsika #YoSoy132 tsy miandany ara-politika. Iray volana eo ho eo sisa mialoha ny fifidianana Meksikana, andeha ho jerena ireo sasany amin'ny hevitra mifanohitra anatin'ireo bilaogy samihafa sy amin'ny alalan'ny feo.
Ejipta: Tsia, Tsy Mbola Vita ny Revolisiona
Nitodika tany amin'ny Ejipta indray ny mason'izao tontolo izao tamin'ny 23 sy 24 May, noho ity firenena ity hanao ny fifidianana filoham-pirenena voalohany taorian'ny firohotam-bahoaka izay nanàla an'i Hosni Mubarak herintaona sy tapany lasa izay.
Kambodza: Tsy Nisy Fahagagana Nandritra ny Fididianana Ben'ny Tanàna
Fifidianana fahatelo amin’ny fe-potoa-piasan’ny Filankevi-monisipaly ao Kambodza ny fifidianana ben'ny tanàna notontosaina tamin’ny Alahady 3 Jiona lasa teo, izay manana fe-potoa-piasana 5 taona. Napetraka ny fampiharana ny firafitry ny Filankevi-monisipaly mba hampiroboroboana ny fitsinjaram-pahefana eo amin’ny resaka fitantanana sy mba handraisana fanapaha-kevitra manakaiky ny vahoaka. Tamin’ny taona 2002 sy 2007...
Meksika: #YoSoy132, Fiandohan'ny Lohataona Meksikana?
Nanamarika ny fitsidihana nataon'ny kandida ho filoham-pirenena Enrique Peña Nieto tany amin'ny Anjerimanontolon'i Iberoamericana ny hetsi-panoherana nataon'ny mpianatra izay efa imbetsaka no nitsipaka ilay kandida. Izy ity, niaraka tamin'ny vaovao mitanila navoakan'ny haino aman-jeriy tamin'izany fotoana, no nanjary fangaronà vanja mipoaka, izay nivoaka voalohany tao amin'ny haino aman-jery sosialy, ary...
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...