Nolazaina tanaty hetsi-panoherana sy filazana ho fisian'hosoka ireo mpandresy tamin'ny fifidianana tao Indonezia

A polling station in north Jakarta during the 2024 election

Birao fandatsaham-bato ao avaratr'i Jakarta nandritra ny fifidianana taona 2024. Sary avy amin'i Jeromi Mikhael / Wikimedia Commons. CC0 1.0 DEED

Nambaran'ny Vaomieran'ny Fifidianana ankapobeny (KPU) ao Indonezia tamin'ny 20 marsa, mbola ao anaty fifampiampangana hosoka sy fitsabahana voalaza fa nataon'ny governemanta am-perinasa ireo mpandresy tamin'ny fifidianana tamin'ny 14 Febroary.

Nambaran'ny KPU ho mpandresy tamin'ny fifidianana filoham-pirenena ny Minisitry ny Fiarovana Prabowo Subianto rehefa nahazo vato 96,2 tapitrisa na 58,6 isanjaton'ny vato rehetra narotsaka. Resiny tamin'izany ny governoran'i Jakarta teo aloha Anies Baswedan sy ny governoran'i Java Afovoany teo aloha Ganjar Pranowo.

Samy nilaza i Anies sy i Ganjar fa nampiasa tsy ara-drariny ny fitaovam-panjakana ny filoha am-perinasa Joko “Jokowi” Widodo  mba hahazoan'ny filatsahan'i Prabowo tombondahiny, izay manana kandidà ho filoha lefitra an'i Gibran Rakabuming Raka, zanaka lahimatoan'ny filoha. Nohamafisin'i Jokowi fa afaka manohana kandidà ny tompon'andraikitra raha toa ka tsy mampiasa vola vatsim-panjakana mandritra ny fotoanan'ny fanentanam-pifidianana.

Efa nametraka fitoriana tany amin'ny Fitsarana misahana ny lalàmpanorenana i Anies, manontany ny fitsabahan'ny governemanta Jokowi nandritra ny fizotram-pifidianana. Hoy izy tamin'ny media:

When we are talking about free and fair elections this also means that the state takes a neutral position toward any contestants and organises the election in a neutral way. That has been absent. We want to make sure that irregularities don't go unchecked.

Rehefa miresaka fifidianana malalaka sy madio dia midika koa izany fa tsy miandany amin’izay mpifaninana ny fanjakana ary mikarakara ny fifidianana amin’ny fomba tsy miandany. Tsy hita anefa izany. Tianay ho azo antoka fa tsy handeha malalaka tsy hohamarinina ny tsy fanarahan-dalàna.

Nandritra izany fotoana izany, nilaza tamin'ny Reuters ny kinasa hanaovana fanadihadiana parlemantera momba ny hetsika tsy mendrika voalaza fa nataon'ireo manampahefana i Hasto Kristiyanto, sekreteran'ny antoko izay nametraka an'i Ganjar.

We found there was abuse of power, ranging from legal aspects to the use of state facilities. If we did not do this comprehensive correction, then what's the point of having an election in the future?

Hitanay fa nisy ny fihoara-pahefana, manomboka amin'ny lafiny ara-pitsarana ka hatramin'ny fampiasana ny tranom-panjakana. Raha tsy nanao izany fanitsiana feno izany izahay, inona no ilana hanaovana fifidianana amin’ny hoavy?

Na ny fiarahamonim-pirenena sasany aza efa nanara-maso ny tsy fanarahan-dalàna nandritra ny fotoanan’ny fanentanam-pifidianana. Namoaka fanambaràna iraisana manoritra ny fifidianana taona 2024 ho ratsy indrindra hatramin'ny nanonganana an'i Suharto tamin'ny taona 1998 ny Indonezia Corruption Watch sy ny vondrona mpiaro ny zon'olombelona KontraS. Mpitarika an'i Indonezia nandritra ny telopolo taona i Suharto, ary ny vanim-potoana taorian'ny nionganany no antsoina hoe Vanim-potoana Fanavaozana. Nahita tranga 310 voalaza fa hosoka nahavoarohirohy ireo mpikarakara ny fifidianana, ireo mpitondra fanjakana, ireo mpiasam-panjakana ary ireo kandidà ny Indonezia Corruption Watch sy ny KontraS.

We think it is reasonable for the public to question the election results, based on the process that is suspected to be fraudulent and problematic.

Heverinay fa mitombina ho an'ny vahoaka ny manontany (misalasala) ny vahoaka amin’ny voka-pifidianana, miainga amin’ny dingana ahiana ho misy hosoka sy miterak'olana.

Voarakitry ny Tambajotra Aziatika ho amin'ny Fifidianana Malalaka ihany koa ny “fanetsiketsehana sy fampiasana amin'ny fomba tsy ara-dalàna ny fitaovam-panjakana mba hanozongozonana ny safidin'ny mpifidy” ary notononina izany ho ohatra iray amin'ny “fijotson'ny fenitra demaokratika” ao amin'ny firenena.

Ankoatra ny fiampangana fa i Jokowi ho nitarika fizarana fanampiana tany amin'ireo distrika manankarena, dia voalaza fa norahonana hanaovana famotorana kolikoly ireo tompon'andraikitra ao an-toerana raha tsy manohana ny fiarahan'i Prabowo sy Gibran.

Andro vitsy talohan'ny fanambaràna ny voka-pifidianana ofisialy, nisy ny hetsi-panoherana niampanga an'i Jokowi sy ny lazaina ho fanentanam-pifidianana tsy ara-dalàna nataon'ireo manampahefana.

Nikarakara fihetsiketsehana androany ny Manda Perlawanan Rakyat hanoherana ny filoha Jokowi teo ivelan'ny tranoben'ny parlemanta tao Jakarta, niampanga azy ho nanao hosoka tamin'ny fifidianana

Tamin'ny antsafa nifanaovana tamin'ny Berita Benar, namintina ny hafatry ny fihetsiketsehana i Fawwaz Ihza Mahenda tanora mpikatroka.

The president’s [election] interference and misuse of social aid for political gain represent the tip of the iceberg in terms of institutional quality neglect during Indonesia’s current development process.

Ny fitsabahan'ny filoha [fifidianana] sy ny fampiasana tsy araka ny tokony ho izy ny fanampiana ara-tsosialy ho amin'ny tombontsoa politika no maneho ny tendron'ny iceberg amin'ny resaka tsy firaharahian'ny andrim-panjakana mandritra ny dingana fampandrosoana ao Indonezia amin'izao fotoana.

Nanampy i Hafid Abbas, mpampianatra ao amin'ny Anjerimanontolom-panjakana any Jakarta, fa tohanan'ny mpampianatra oniversite ny hetsi-panoherana.

So those who take to the streets are not only students but also their professors, the lecturers, and the scientists. Because this situation is a matter of life and the destruction of our nation. If we do not join forces, Indonesia cannot resist these deviations of democracy that have occurred so far.

Ka izay midina an-dalambe dia tsy ny mpianatra ihany fa ny profesora azy ireo koa, ny mpampianatra ary ny mpahay siansa. Satria resaka fiainana sy famotehana ny firenentsika izao toe-javatra izao. Raha tsy mitambatra isika dia tsy afaka manohitra ireo fivilian'ny demaokrasia nitranga hatreto i Indonezia.

Nanamarika ny fitsabahana niavaka nataon'ireo manampahefana nandritra ny fanentanam-pifidianana ireo manam-pahaizana Sana Jaffrey sy Eve Warburton :

Partisan behaviour of state officials is observed with some regularity in Indonesian elections. But the centralised nature of intervention in 2024, its scale and the brazenness with which it was done, is unprecedented in Indonesia’s brief democratic history.

Voaaramaso hatrany ny fitondran-tenan'ny mpitondra fanjakana amin'ny fifidianana Indoneziana. Saingy mbola tsy nisy toy izany teo amin'ny tantara demaokratika fohy teto Indonezia ny fiaingana avy any an'ivo ny fitsabahana tamin'ity taona 2024 ity, ny habeny sy ny fahasahiana nanaovana azy.

Ho setrin'ny hetsika sy ny fanangonan-tsonia anoherana ny hosoka amin'ny fifidianana, nanamafy ny solombavambahoaka Kamrussamad, izay miara-dia amin'ireo mpandresy amin'ny fifidianana, fa mila manana governemanta miasa ny vahoaka amin'izao fotoana.

We too, have heard various aspirations on the ground. One of the most urgent aspirations from the people is unemployment or job creation.

It is not the right of inquiry that they need, it is the right of people such as public transportation drivers. And because of that, I want to remind you to not let the response of those who are not ready to lose be the worst response in the history of elections in the reformed era.

Izahay koa efa naheno hetaheta samihafa teny an-kianja. Anisan’ny hetahetam-bahoaka maika ny tsy fananan’asa na ny famoronana asa.

Tsy ny zo hanao fanadihadiana no ilain’izy ireo fa zon’ny olona toy ny mpamily fiara fitateram-bahoaka. Ary noho izany dia tiako ny mampahatsiahy anareo mba tsy hamela ny valin-tenin'ireo tsy vonona ho resy ho valin-kafatra ratsy indrindra teo amin'ny tantaran'ny fifidianana tamin'ny vanim-potoana fanavaozana.

Raha nanontaniana ny fiampangana hosoka i Jokowi dia nilaza izao tamin'ny media:

Don’t scream fraud. We have mechanisms to solve the fraud. If you have evidence, take it to the Election Supervisory Agency, if you have evidence, challenge it to the Constitutional Court.

Aza mikiakiaka hosoka. Manana rafitra hamahana ny hosoka isika. Raha manana porofo ianao dia ento eny amin’ny sampana mpanaramaso ny fifidianana, raha manana porofo ianao dia tohero eny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana.

Tsy maintsy miandry ny volana oktobra i Prabowo vao handray ny fahefana. Mandra-pahatongan'izany, mety hiteraka fihetsiketsehana bebe kokoa ny fanangonan-tsonia sy ny fanadihadiana parlemantera momba ireo voalaza fa tsy fanarahan-dalàna amin'ny fifidianana indrindra raha toa ka aseho amin'ny besinimaro ny porofon'ny hosoka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.