Tantara mikasika ny Fifidianana tamin'ny Oktobra, 2008
Haiti: ny faneken'i Powell
Lavitra dia lavitry ny fahatalanjonana mahita ny fanohanan'i Colin Powell an'i Barack Obama, The Haitian Blogger no miteny: “Eto Haiti, Powell no ‘Mpitarika Mainty niandraikitra ny’ fandravana ny demôkrasia teto Haiti sy nametraka ny saribakolin'ny fitondran'i Bush, Gerard Latortue.”
Ghana: Mitory ny vaomieran'ny fifidianana ny kandidà iray
Ampangaina ho nanintsana kandidà ho filoham-pirenena iray ny vaomieran'ny fifidianana any Ghana: “Raha tsy nahafeno ny fepetra rehetra ahafahana mifaninana amin'ny fifidianana amin'ny volana desambra ho avy izao Atoa Dan Lartey mpitondra tenin'ny Antokom-bahoaka lehibe tafaray [Great Consolidated Popular Party (GCPP)], dia mikonokonona ny hametraka fitoriana any amin'ny fitsarana ny...
Afrika: Mpanohana tokana an'i McCain eto Afrika
David Sasaki no nandefa lahatsarin'ny mpanohana an'i McCain eto Afrika: Ao anatin'ny eritreritra endri-panohanana dia ity ny lahatsarin'ny mety ho tsara indrindra amin'ny mpanohana an'i McCain eto Afrika. Raha tadidiko tsara dia toa “George Kennedy” no anarany.
Azerbaijan: Bolongana mpanaramaso ny fifidianana Eoropeana iray
Eny an-dalana ho any Azerbaijan i The Continuing Adventures of Super Steve (Ny tohin'ny tantaran'ilay mahery Steve) hanaramaso ny fifidianana ho filoham-pirenena any amin'io firenena io amin'ny 15 Oktobra ho avy izao. Milazalazazava-bitsivitsy momba an'Azerbaijan ho an'ny mpamakiny ny bolongana ary manambara ihany koa ny fomba fiasan'ny vondrona iraisam-pirenena OSCE/ODIHR mpanaramaso...