Tantara mikasika ny Fifidianana tamin'ny Jolay, 2010
Roanda: Fisavoritahana mialoha ny Fifidianana Filoham-pirenena, afa-tsy ho an'i Kagame
Nanomboka tamin'ny fomba ofisialy ny fampielezan-keviny ho amin'ny fotoam-piasana hafa indray ao amin'ny biraony ny Filohan'ny Roanda amperin'asa, Paul Kagame. Mifarana amin'ny faha 9-n'ny volana Aogositra ny fampielezan-kevitra rehefa voalahatra fa havoaka amin'ny fomba ofisialy ireo valim-pifidianana, manomboka amin'ireo fisamborana ka hatramin'ireo fifamonoan'olona .
Mitady mihoatra noho ireo teny filamatry ny fifidianana ireo Aostraliana
Telo ambiniroapolo andro katroka taorian'ny nialan'i Kevin Rudd, niantso fifidianana faobe amin'ny 21 Aogositra ny praiministray Julia Gillard, ny "ranga"-ntsika (menaloha). Mitady ventin-javatra tsy ahodina fotsiny amin'ity fampielezan-kevitra ity ny tontolon'ny blaogy Oz .
Ginea: Eo am-piandrasana ny fihodinana faharoa amin'ireo fifidianana lazaina ho feno hosoka
An-dàlana ny fifidianana ho filoham-pirenena hanan-tantara any Ginea raha efa akaiky hivoaka amin'ny fomba ofisialy ireo valim-pifidianana ofisialin'ny fiodinana voalohany . Nalamina ho amin'ny 1 Aogositra ny fihodinana faharoa [fr] noho ny fandinihana ireo lazaina ho hosoka ka nanisahana ny datin'ny 18 Jolay efa voalamina tany amboalohany. Toa milaza ny...
Rosia: Resahina amin'ny aterineto ny tetikasa momba ny lalam-pifidianana vaovao
Tamin'ny volana lasa, ny fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana Rosiana, mpanara-maso fifidianana,"Golos" (A Voice) dia namoaka [RUS] safidy iray amin'ny ho lalam-pifidianana tamin'ny aterineto , izay heverina hitondra mankamin'ny fifidianana malalaka, marina, ary mangaraharaha any Rosia. Iray amin'ireo ohatra vitsivitsy vaovao amin'ireo vakiraoka-na volavolan-dalàna navoitra ampahibemaso tamin'ny aterineto ity .
Nizeria: Iza no nampiova hevitra ny Filoha— Facebook sa FIFA?
Taorian'ny nahazoany tsikera an-jatony tao amin'ny pejy Facebook-ny ny Filohan'i Nizeria dia nanafoana ny fampiatoana ny ekipa nasionalin'ny baolina kitra. Kanefa tena ho valin'ny feon'ireo olona mitaraina ao amin'ny Facebook ve no nampiova ny hevitry ny filoha? Sa noho ny tsindry avy amin'ny mpanolotsaina eran-tanin'ny baoilna kitra?
Iraka: Iza no ho Praiministra manaraka?
Tsy nahita marimaritra iraisana ho amina kandidà tokana hapetraka amin'ny toeran'ny Praiminisitra ireo vondrona roa maro an'isa lany tamin'ny fifidianana, na dia efa natao tamin'ny 7 Martsa aza ny fifidianana ny ho parlemanta irakiana. Manana izay lazainy koa momba ny fikatsoana ireo mpitoraka blaogy ao anatin'ity lahatsoratra ity .
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...