Tantara mikasika ny Fifidianana tamin'ny Novambra, 2016
Ny Fijerin'ireo Firenena Miteny Paortiogey Ny Fahalanian'i Trump Ho Filoha
Fitetezana ireo fanehoankevitra tany amin'ireo firenena miteny portiogey manerana ny tany, niainga avy any Paortiogaly sy Brezila, ka hatrany Timor-Atsinana, mandalo an'i Afrika.
Mifidy Filoha Vaovao i Boligaria, Saingy Iza No Mahalala Izay Hanjò ny Praiminisitra
Taorian'ny fifidianana filoham-pirenena tao Boligaria tamin'ny fiandohan'ity volana ity sy ny fanapahan-kevitry ny praiminisitra Boyko Borisov avy eo hametraka ny fialàny tao amin'ny parlemanta, tafiditra ao anatin'ny fihenjanana ara-politika ny firenena.
Manontany Tena Ireo Mpifanandrina Amin'i Putin ao Rosia Hoe Hanao Ahoana Ny Fiharatsian'ny Toe-javatra Noho i Trump
“Ho antsika, mazava ho azy, Amerika no mariky ny fahalalahan'izao tontolo izao. Nanao zavatra marobe ho amin'ny fampandrosoana ny demaokrasia manerantany izy, saingy miova ao anaty fijery manamaro ny zavatra rehetra miaraka amin'ny mpitarika tahaka ity izany" Hoy i Milov momba an'i Trump
Fitiavana Mandresy Fankahalàna: Ny Podcast-n'ny Herinandro Lasa Teto Amin'ny Global Voices
Amin'ity herinandro ity, atombotsika amin'i Etazonia izay itantaran'i Omar Mohammed ny sombin-tantara nosoratany, "Amerika Nitia Anao Aho" ary avy eo ho entinay ianao ho ao Kiobà, Siria ary Taiwan.
Ao Amin'ny Amerika Vaovaon'I Trump, Hanorina Ny Rindrin'ny Fitserana i San Francisco
Tafa sy dinika tamin'ny iray amin'ireo mpikarakara ao ambadiky ny tetikasa fiaraha-miasa "Rindrin'ny Fitserana" any San Francisco, izay manome fitsaboana faobe taorian'ny fotoan'ny fifidianana izay nampisara-bazana sy nampifanenjana.
Lanonana Mivantana Facebook Hampiroboroboana ny Fandriampahalemana sy Iadiana amin'ny Tenim-pankahalana ao Kenya
Manomana lanonana hiresahana ireo tetipanorona iadiana amin'ny tenim-pankahalana ao Kenya mialoha ny fifidianana ankapobeny amin'ny herintaona ny DW Akademie.
Menatra Noho Ny Fandresen'i Trump Ireo Mpanao Fampielezan-keviny Avy Ao Makedonia
Tahaka ny tale Jeneralin'ny Facebook Mark Zuckerberg, tsy mino ireo mpandoto fanehoan-kevitra ara-politika avy ao Makedonia, izay mitantana tranonkalam-baovao sy pejy Facebook hosoka manohana an'i Trump fa nanana fiantraikany tamin'ny voka-pifidianana Amerikana izy ireo.
Mahita Hatsikana Sy Fihatsarambelatsihy Ao Amin'ny Fandresen'i Donald Trump Ny Afrikana
"Filohan'ny Etazonia faha 45 i Donald Trump ary lainga ny tantaran'ny Amerika ho toy ny fanilo mamirapiratra manazava ny rariny."
Mandravarava Amin'ny Aterineto ny Fampitahana an'i Trump sy i Chavez, Fa Mahakizitina ny Governemanta Venezoelàna
Misy ny zavatra mampifandrohy ilay kandidà filohan'i Etazonia Donald Trump sy ilay filoha Venezoelana farany, Hugo Chavez. Indreto izy ireo.
Hasambarana Tao Amin'ny Twitter Ho An'ity Rosiana Lehiben'ny Fampielezankevitra Ity Ny Nataon'ireo Mpanohana An'i Trump
Raha mbola fanina tanteraka tamin'ny fitsimbadihana nampivanàka vitan'i Donald Trump tao anatin'ny hazakazaka ho filohan'i Etazonia izao tontolo izao, ry zareo Rosiana kosa mijery an'i Amerika miaraka amin'ny fiverenan'ny fitokiana indray hoe namokatra ihany nony farany ny tolona natao nandritry ny taona marobe niadiana tamin'ny ampihimamban'ny media liberalin'ny Tandrefana .