Ny fandraràna boky ao Suriname anatin'ny tontolo erantany momba ny fahalalahana maneho hevitra

Sary asongadina, noforonin'i FS Abdul tamin'ny fampiasàna Canva Pro niaraka tamin'ny sary an'ny @grapix2.

Ny filazàna vao haingana nataon'ny filohan'i Suriname, Chandrikapersad Santokhi, momba ny fandraràna izay rehetra fanontàna boky miresaka kolikoly ao amin'ny fireneny dia mitondra aloka mampiahiahy ho an'ny fahalalahana maneho hevitra sy ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety — ary miaraka amin'ireo fifidianana ho avy, mety misy hametraka fanontaniana momba ny fahavononan'ny filoha hiverina hofidiana sy hanao izay hitohizan'ny firenena hisitraka ny sata iraisampirenena.

Ity hetsika ity, izay misy idiran'ireo fepetra araka ny lalàna ho entina manatsahatra ny fividianana sy famakiana ireo boky manakiana ny governemanta, dia mihoatra lavitra ny maha-olana anatiny azy. Lasa zava-mampanahy ny erantany ilay izy, mahakitika ny anak'andriamason'ireo izay manome lanja be ny fahalalahana demaokratika sy mahita ny anjara toerana goavana tànan'ny gazety mba anerena ireo eo amin'ny fitondràna hanome tamberinandraikitra.

Nibaribary fa io fifandonana ao Suriname io dia nomarihan'ny Ware Tijd, ilay gazety lehibe indrindra amin'ny sehatra nasiônaly ary tsy nety nilefitra tamin'ireo fitakian'ny filoha Santokhi hanesorana sary iray tamin'ny fonon'ny bokiny tsy ho ao amin'ny tranonkala aterineton-dry zareo, izay niteraka adihevitra nandingana mihitsy ny sisintanin'ny firenena. Ilay boky dia mitondra ny lohateny hoe “Kolikoly any amin'ny Faratampony”, izay voalaza fa ahitàna ireo fiampangàna ny filoha, an'i Parmanand Sewdien minisitry ny fambolena, ny fiompiana ary ny jono, ary ilay mpandraharaha ,Vijay Kirpalani.

Ny andrana tsy nahomby hibaikoana ilay gazety mba hanaisotra ilay sary, na niavaka tamin'ny maha-tokana azy aza, dia itarafana ny ady manerantany atao amin'ny sivana sy ny kolikoly —  ady iray efa mahazatra an'ireo manana traikefa avy any Gaza, Aostralia, na Hôlandy aza. Ao Gaza, sarontsaronana amin'ny resaka fiarovam-pirenena ny fanampenam-bava ny fahalalahana maneho hevitra; Ao Aostralia, nandefa onja nampihovitrovitra nanerana ny tontolo pôlitika ireo ampamoaka momba ny halalin'ny kolikoly ao aminy; ary ao Hôlandy, mbola ambany fanarahamason'ny rehetra hatrany ny fahitsian'ireo olomalaza ara-pôlitika. Fahamarinana fototra iray no asongadin'ireo ohatra tsirairay: andrin'ny fahasalaman'ny fiarahamonina rehetra ny fahalalahana hanontany, hanatsikera, ary hamboraka izay zava-tsy mety.

Ny toedraharaha misy amin'izao fotoana izao ao Suriname dia ohatra iray amin'ny filàna be ny fiarovana ireny fahalalahana ireny. Ny fijoroana tsy mihozohozo ataon'ny Fikambanan'ireo Mpanao Gazety ao Suriname ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety dia mariky ny fanoherana goavana ny firosoan'ny fanarahamaso tsy refesimandidy. Ampahany amina tantara iray goavana mila ny fifantohan-tsaintsika io ady io.

Amin'ny maha-olona miasa amin'ny tontolon'ny fifandraisana iraisampirenena ahy, dia samy hitako sy nandona ahy mivantana ireo fisampantsampanan'ny sivana sy ny kolikoly, ary hitako ho mahavariana sy lalina ny zotran'i Suriname. Efa nanefa ny anjarako aho tamin'ny katrodoha nifanaovana tamin'ireo tomponankdraikitra avy amin'ireo governemanta iraisampirenena tsy manaja ny iraka omena azy; indraindray, ny etikan'ny tenany manokana dia mifanandrify amin'ny etika nambaran'ny tetikasa, saingy midona amin'ireo pôlitikan'ny andrim-panjakana sy ireo fomba fanaon'ny sasany nomena andraikitra — ary matetika loatra, niezaka nanakombom-bava ahy ireo rafitra anatiny rehefa manandrana mikitika an'ilay lohahevitra aho, ary tena matetika, andraman'ireo rafitra anatiny ny manampina ny vavako rehefa miezaka aho ny miresaka ireny lohahevitra ireny. Ny fireneko manokana, Hôlandy dia tototry ny tantara ratsin'ny governemanta momba ny tsy rariny sy ny fanavakavahana ataon'ireo andrim-panjakana, izay avy eo tonga dia miantraika amin'ireo olompirenenea tsotra toa ahy.

Ny zo hisitraka fahalalahana maneho hevitra sy ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety dia tsy hoe fotsiny fombafomba araka ny lalàm-panorenana. Vato fehizoron'ny fandraisana anjara demaokratika aza izy ireny. Rehefa miezaka ireo tomponandraikitra ao amin'ny governemanta ny hanafoana ny fomba fijery mifanohitra, dia simbain-dry zareo ireo tena fototry ny fahatokisana sy ny fandraisana andraikitra izay tena andrin'ny fitantànana tsara.

Manasongadina fanamby iray goavana ho an'ny demaokrasia ny fandraràna boky ataon'i Suriname, manoritra ny filàna tsy tapaka mba hisian'ny mangarahara sy ny fahalalahana, tsy ho an'i Suriname ireny na ho an'i Karaiba, fa ho an'ny tany manontolo ihany koa. Porofoin'io ny hoe rehefa tsy miraharaha ilay olana dia naman'ny manohana azy ireny.
Isika tsy maintsy mijoro miaraka amin'ireo mpanao gazety, mpanoratra ary ireo olompirenena manerana ny tany manontolo mitaky amim-pahasahiana ny tamberinandraikitra avy amin'ireo manampahefana. Ny fahalalahantsika dia miankina amin'ny hetsika itambarantsika sy ny fahamailoantsika mitrandraka ny tsirairay amin'ireo herintsika atambatra ho hery tokana.

Mikatona ny famoahana hevitra