Famantarana ny fanombohan'ny fifandraisana am-pitiavana ny fanatrehan'ny Filohan'i Tanzania Suluhu ny hetsika ataon'ny mpanohitra

 President Samia Suluhu Hassan of United Republic of Tanzania during a State Visit in 2021. Image credit: Paul Kagame Attribution-NonCommercial-NoDerivs 2.0 Generic (CC BY-NC-ND 2.0)

Samia Suluhu Hassan filohan'ny Repoblika Mitambatr'i Tanzania nandritry ny fitsidihana ara-panjakana iray  tamin'ny taona 2021. Sary indrana: Paul Kagame. Attribution-NonCommercial-NoDerivs 2.0 Generic (CC BY-NC-ND 2.0).

Raha nanamarika ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy izao tontolo izao, dia niloa-bava i Samia Suluhu Hassan, Filohan'i Tanzania rehefa nanaiky ny fanasana azy ho vahiny manan-kaja tamin'ny lanonana iray nokarakarain'ny antoko mpanohitra ny Filankevitry ny vehivavy fantatra amin'ny anarana hoe Baraza la Wanawake Chadema (BAWACHA) ao amin'ny Antoko ho an'ny Demokrasia sy ny Fandrosoana (Chama Cha Demokrasia na Maendeleo na CHADEMA).

Natao tany Moshi, kaominina sady renivohitry ny faritra Kilimanjaro any avaratra-atsinanan'ny firenena, tazana nandritra ny lanonana i Sharifa Suleiman filohan'ny BAWACHA sy i Freeman Mbowe mpitarika ny CHADEMA, antoko mpanohitra lehibe indrindra ao Tanzania, nandray sy nifampizara ny lampihazo tamin'ny filoha.

Raha niresaka tamin'ilay fikambanana vehivavy mafàna fo 3.000 mahery avy amin'ny mpanohitra, nambaran'ny filoha Suluhu hoe nanokatra toko vaovao eo amin'ny tantaran'ny firenena ilay hetsika:

“Tsy mora ny hanome tànana ny mpanohitra no sady hitazona fifandraisana am-pirahalahiana amin'ny governemanta tarihin'ny CCM, ary tsy zavatra eken'ireo mahery fihetsika ao amin'ny CHADEMA na ny antokon'ny fitondrana CCM ihany koa izany.”

Nanampy izy fa nisy “kolontsain’ny firaisankina vaovao” nisandratra teo amin'ny fitantanan'ny CCM sy ny mpanohitra, ka na misy aza ireo mpitsikera tsy faly amin'io filaminana io dia “tsy maintsy ho zatra malaky amin'izany izy ireo”.

Latsaka tanatin'ny fitondràna tsirefesimandidy i Tanzania nandritra ny fitondram-panjakana teo alohany notarihin'i  John Magufuli. Tao anatin'ny fe-potoana niasany, nokapohany mafy ny habaka sivily tamin'ny alalan'ny fametrahana lalàna famoretana, ny ankamaroany dia nampidirina tamin'ny fe-potoam-pitondrana faramparan'ny filoha teo alohany – Jakaya Kikwete, mba hanamarinana ny sivana ataon'ny governemanta amin'ny sehatra sivily sy ny haino aman-jery, ary hatramin'ireo fanaovana fisamborana tsy misy antony. Nesorina tamin'ny mpanohitra, ohatra, ny zon'izy ireo ho afaka hivory araka ny voalazan'ny andininy faha-20(1) ao amin'ny Lalàm-panorenan'ny Repoblika Mitambatr'i Tanzania tamin'ny 1977. Fanampin'izany, nanenjika sy nanagadra ireo depiote mpanohitra tamin'ny fiampangana hosoka ihany koa ny fitondrany, ary nilaza fa saribakolin'ny hery vahiny izy ireny.

Tao anatin'ny fotoana nanamarika ny roa taona nitondrany, sy ny 46 taona nitsanganan'ny antokon'ny fitondràny — Chama Cha Mapinduzi (CCM) no nitranga ilay fihetsika manan-tantara nataon'ny Filoha Suluhu hanatrika ilay hetsika nataon'ny mpanohitra. Hatramin'ny niakarany teo amin'ny fitondrana dia nampiseho tsy an-kijanona ny faniriana hiala amin'ny làlan'ny fihemorana nizoran'ny mpitondra teo alohany izy amin'ny alalan'ny fanatanterahana andiam-panavaozana sy famitranam-pihavanana. Avy hatrany taorian'ny nandraisan'i Samia ny fahefana tamin'ny 2021, nodidiany ny hanafoanana tsy misy fetra ny fandraràna natao an'ireo trano fampahalalam-baovao. Efa hatramin'ny taona 2015 no nisy ny fandraràna ny fampitam-baovao.

Raha nanome ny fanamarihany tao amin'ilay hetsiky ny mpanohitra, dia notantarain'i Suluhu ny fomba nipoiran'ireo sakana teo amin'ny andaniny sy ny ankilany tamin'ny fisaraham-bazana ara-politika, ka manohintohina araka izany ny fizotry ny fampihavanana.

Nitanisa ohatra iray izy, tamin'ny fotoana tsy maintsy nanafoanany ny fandraràna ireo fivoriana ara-politikan'ny mpanohitra, nambaran'i Suluhu fa io ezaka tongasoa nataon'ny mpanohitra io dia nifanehatra tamin'ny fanoherana mivaivay avy amin'ireo faribolana kely sasantsany anatin'ny antokon'ny CCM ao anatin'ny fitondrana. Nampiany fa na eo aza ny fahasahiranana atrehana amin'ny fandrosoana dia tapa-kevitra izy ny hanangana firenena iray vaovao manana habaka sivily midadasika kokoa.

Ankoatra izany, nanamafy izy fa ny fandraisana ny fifanakalozan-kevitra fa tsy ny fifandonana dia tena nilaina hisian'ny adihevitra am-pahalalam-pomba. Tamin'ny fiezahana hanilika ireo tsy manaiky, nampanantena ny filoha Samia fa hamerina indray ny dingan'ny famerenana mandinika ny lalàm-panorenana, araka ny efa notakian'ny mpanohitra hatry ny ela:

“Tsy misy tsy mitaky Lalàm-panorenana vaovao. Na ny antokoko aza efa nanome baiko  ny tokony hamerenana ny dingana fanoratana ny lalàm-panorenana. Araka izany, rehefa avy niresaka tamin’ireo antoko politika hafa aho dia hanangana komity hanatanteraka izany asa izany amin’ny fotoana mety.”

Teo ampamaranana ny fandraisany fitenenana, niantso ireo mpisehatra ara-politika ny Filoha Suluhu mba hampirina ny faharesen-dahatra ara-politika samihafa ananan-dry zareo ary hanampy amin'ny fitarihana ny firenena ho lasa laza ara-toekarena maoderina.

Teo ambany fiadidian'i Suluhu, nanatri-maso ny zava-nisongadina teo amin'ny sehatra demokratika ny firenena izay nantsoin'ny mpaneho hevitra sasany hoe “fanalàna ny dindon'i Magufuli ao anatin'ny politika ao Tanzania.” Nialàn'i i Suluhu tsikelikely ny fomba fitantanana jadona nataon'ny mpitondra teo alohany, tamin'ny alalan'ny fandraisana fomba fitarihana tsy dia masiaka loatra, izay manome vàhana ny fanantenana vaovao momba ny fiverenana amin'ny fanajana ny tany tàn-dalàna sy ny fanatsarana ny demokrasia misy antoko maro.

Andry lehibe iray tamin'ny fanolorana sampana oliva ho an'ny mpanohitra ireo filozofiany F efatra izay tena mahavariana, dia ny Fampihavanana (Maridhiano), ny Faharetana (Ustahamilivu), ny Fanavaozana (Mabadiliko), ary ny Fanorenana (Kujenga Upya). Sambany tao anatin'ny enina taona, niverina indray ny famoriam-bahoaka ara-politika nataon'ny mpanohitra tamin'ny Janoary 2023, nampientanentana ireo mpanao politika mpanohitra ao Tanzania amin'ny ankapobeny.

Rehefa nandray fitenenana alohaloha kely nandritra ny hetsika i Freeman Mbowe, mpitarika ny Antoko ho an'ny Demaokrasia sy ny Fandrosoana (Chama Cha Demokrasia na Maendeleo na CHADEMA), antoko mpanohitra lehibe indrindra ao Tanzania, dia nidera fatratra ny filoha Suluhu, ary nisaotra azy izy tamin'ny fanajàna ilay fifanarahana vitan'izy ireo nandritra ny fivoriana voalohany nataon'izy ireo tao amin'ny Lapam-panjakana tamin'ny Martsa 2022. Ora vitsy taorian'ny nisintonan'ny mpampanoa lalàna ireo fiampangana an'i Mbowe sy nanafahana azy ilay fivoriana natao tao amin'ny Lapam-panjakana no notanterahina. Nandritra ny fitondran'ny filoha efa nodimandry, John Magufuli, no nogadraina noho ny fiampangana fampihorohoroana ilay mpitarika ny CHADEMA.

Nohamafisin'i Mbowe fa tsy afaka ny hisy eo amin'ireo ankolafy roa fotsiny ny fampihavanana — ny CHADEMA sy ny CCM — satria nisy antoko politika hafa, andrim-pinoana ary fikambanan'ny fiarahamonim-pirenena, ankoatry ireo hafa niandrandra ny fampihavanana.

Ireo mpitarika ny filankevitry ny vehivavy, BAWACHA, dia niantso an'i Suluhu hiantoka ny fametrahana rafitra vaovao araka ny lalàm-panorenana rehefa mizotra mankany amin'ny fifidianana filoham-pirenena ho an'ny 2025 ny politika.

Mampiseho ny fahavononan'i Suluhu hampiray ny Tanzaniana ny hetsika ara-politika vao haingana tany Tanzania, na inona na inona ny firehana ara-politika misy azy ireo. Izany no nahatonga ny fitohizan'ny fahazaony ny fon'ny Tanzaniana maro.

Tamin'ny Novambra 2022, nandany lalàna iray momba ny fiarovana ny angon-drakitra manokana ny Parlemanta Tanzaniana taorian'ny fiandrasana naharitra, fivoarana iray izay nankasitrahan'ireo mpiara-mitan-tsoroka.

Ity fivoarana ity dia narahan'ny fanambaràna ny fanafoanana ny fandraràna ny famoriam-bahoaka ara-politika napetrak'ilay teo alohany tsy noferesi-mandidy, Magufuli, tamin'ny 2016, izay nahatonga ny fiverenan'ireo olon'ny antoko mpanohitra natao sesitany.

Tamin'ny Febroary 2023, dia nihemotra tamin'ny fanapahankeviny hanisy fanitsiana ny Lalàna 2016 mahakasika ireo Sampan-draharahan'ny Media ny governemanta Tanzaniana, rehefa nametraka ny volavolan-dalàna fanitsiana tao amin'ny fandaharam-potoanan'ny parlemanta. Ilay volavolan-dalàna izay efa nandalo ny vakiteny voalohany, dia mikatsaka ny hanafoana ireo fehezandalàna maro samihafa mampiady hevitra nanampim-bava ny fahalalahan'ny haino aman-jery tao amin'ny firenena.

Amin'izao fotoana izao, i Suluhu dia niditra amin'ny lalana mankany amin'ny andianà fanavaozana miaraka amin'ny fifantohana mafy amin'ny fanavaozana ny rafi-pitsarana sy ny fanavaozana araka ny lalàna ary hampiantrano ny filoha lefitra amerikana Kamala Harris amin'ny faran'ny volana Martsa amin'ity taona ity, mandritra ny fivoriana iray heverina ho toy ny fikatsahana fitsaboana ireo  fifandraisana nangatsiaka niarahana tamin'ny Etazonia, taorian'ireo sazy nampiharina vokatry ny faharavan'ny fahalalahana sivily teo ambany fitarihan'ny filoha teo aloha Magufuli.

Na eo aza ny fandrosoana tsy mitsaha-mitombo, ny asa goavana izay mety hampihisatra ny lova navelan'i Suluhu dia ny piozila momba ny fanavaozana ny lalàm-panorenana. Efa ela ireo mpandinika no nanamarina fa nitàna anjara toerana lehibe tamin'ny  fanamafisana ny vahohon’ny antokon’ny CCM eo amin’ny fitondrana ny lalàm-panorenana ankehitriny, noho izany dia manao izay hampaharitra ny tsimatimanota eo ambanin'ny fitondrana anjakazakan’ny antoko tokana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.