Tantara mikasika ny Fifidianana tamin'ny Septambra, 2011
Zambia: Manisa ny Fiovana Anatin'ny 90 Andro ny Mpiserasera
Nampanantena nandritra ny fifidianana malalaka intelo miantoana ny filoha vaovaon'i Zambia, Michael Sata, ny hanova ny firenena ao anatin'ny 90 andro ka anatin'izany ny fampitomboana ny vola miditra any am-paosin'ny...
Kamerona: Dia Ahoana Raha Tsy Mandeha Mifidy Isika Amin'ny 9 Oktobra?
Ao Kamerona, toa tsy dia mahataitra loatra ny olona ny fifidianana izay ho filoham-pirenena amin'ny 9 Oktobra 2011. Ho an'ny Kamerone maro, tsy dia misy lanjany loatra io fifidianana io ary dia tsy misy antony tokony hifidianana raha ny hevitry ny mpifidy maro, satria ny vokatra dia efa mirona sahady mankany amin'ny Filoha amperin'asa Paul Biya.
Jordana : Adin'ny MP (Mambran'ny Parlemanta) Amin'ny Tanora
Ny fivorian'ny Antenimiera tao Amman, Jordana tamin'ity herinandro ity, no niatombohan'ny tsy fahafalian'ny mponina, indrindra teny anivon'ny vondrom-piarahamonin'ny tanora. Ireo tanora Jordaniana dia romotra be tao anatin'ilay adihevitra. Nanazava i Nadine Toukans.
Zeorzia: Fifidianana Mpitondrateny Antenimiera Virtoaly
Mialoha ny fifidianana Antenimiera hotontosaina any Zeorzia amin'ny Oktobra 2012 dia i David Bakradze, Filohan'ny Parlemanta amin'izao fotoana izao, no mpikambana ao amin'ny antoko mitondra mavitrika indrindra ao amin'ny Facebook. Amin'ny...
Zambia: Lasa Alohan'ny Fampahalalam-baovao Mahazatra ny Mpiserasera Amin'ny Famoahana Vaovao Momba Ny Fifidianana
Nifidy filoham-pirenena, mpikambana ao amin'ny antenimiera ary solotenan'ny governemantam-paritra ny Zambiana tamin'ny 20 Septambra 2011 lasa teo, fantatra fa nanomboka tamin'ny 6 ora maraina ny fandatsaham-bato, maresaka tanteraka ny Twitter,...
Zambia: Mankalaza ny Fandresen'i Michael Sata ny Mpisiokatserasera
Michael Sata, mpitarika ny antoko mpanohitra Mandan'ny Tia Tanindrazana (Patriotic Front), no Filohan'ny Repoblika vaovao ao Zambia. Nanao fianianana teo anoloany ny Lehiben'ny Fitsarana Ernest Sakala ary noraisiny avy tamin'ny filoha...
Zambia: Nanome Valim-pifidianana ny Mpiserasera Noho ny Fahatarana Amin'ny Famoahana Izany..
Valo ambinifolo ora taorian'ny fikatonanan'ny fifidianana tao Zambia ny 20 Septambra lasa teo, nahatonga ny loharanm-baovaon'ny valan-tserasera hamoaka vaovao farany mikasika ny vokam-pifidianana filoham-pirenena, antenimiera ary ny governemanta ao an-toerana ny fahatarana...
Danemarka : Farany, Niantso Fifidianana Ny Praiminisitra
Androany(26 Aout 2011), nanala ny fitaintainan'ny Danoa ihany ny Praiminisitra Danoa Lars Løkke Rasmussen nony farany, tamin'ny fiantsoana fifidianana parlemantera : ny andro lehibe dia afaka telo herinandro, ny 15 septambra. Maria Grabowski no manolo-tena mitatitra indroa amin'ny aterineto ny nateraky ny fiandrasana ela ny fanambaràn'ny PM.
Tonizia: Bilaogera Nirotsaka Hofidiana
Hifidy ny Antenimieran-dalampanorenana izay hiandraikitra ny famolavolana ny Lalamoanorenana vaovao ny Toniziana amin'ny 23 Oktobra ho avy izao . Hafa noho ny hatramin'izay ity fifidianana atao amin'ity taona ity izay...
Zambia: Ampiasaina Tsara ny Valantserasera Hanaraha-maso ny Fifidianana 20 Septambra
Natsangana hampiasana ny herin'ny valan-tserasera ny Bantu Watch, vohikala natsangan'ny fiaraha-monim-pirenena entina hanaraha-maso ny fifidianana hototosaina ao Zambia amin'ity 20 septambra ity. Natsangana avy amin'ny sehatra Ushahidi ny Bantu Watch...