Tchad: namoy ny ainy ny mpanohitra voalohany ny hery ara-miaramila, Yaya Dillo Djérou

Yaya Dillo Djerou, miakanjo fotsy, pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube de Tv5monde

Fahavoazana lehibe ho an'ny mpanohitra Tshadiana ny fahafatesan'ilay mpanohitra Yaya Dillo Djérou, roa volana mialoha ny fifidianana filoham-pirenena volana Mey 2024 any Tchad.

Hifidy izay ho mpitarika azy ny Tshadiana amin'ny fifidianana filoham-pirenena amin'ny 6 Mey 2024, taorian’ny fanambarana nataon’ny Sampan-draharaham-pirenena misahana ny fitantanana ny fifidianana (ANGE) tamin’ny 27 Febroary 2024. Tokony hidika ho fiafaran’ny vanim-potoanan’ny tetezamita notarihin’i Mahamat Idriss Déby nanomboka ny volana aprily 2021, ampitson’ny nahafatesan’ny filoha Idriss Déby Itno, izay nodimandry ny 20 aprily 2021 ity zotram-pifidianana ity.

Ao anatin'izao tontolon'ny mialoha ny fanentanam-pifidianana izao no very mpiantsehatra lehibe iray ny Tshadiana mpanohitra: maty tamin'ny 28 febroary 2024 ilay mpanohitra voalohany Yaya Dillo Djérou.

Vakio: Tchad: Manambara ny fiafaran'ny krizy politika ve ny fanendrena ny mpanohitra Succès Masra ho praiminisitra?

Iza moa i Yaya Dillo Djérou?

Tena akaikin'ny fianakavian'ny mpitondra eo an-toerana ity Tshadiana mpanohitra  teo aloha ity: zanakalahin'ny mpiray tampo amin'i Idriss Déby Itno i Yaya Dillo Djérou ary niara-niasa taminy hatry ny ela mandra-pisarahany tamin'ny fiandohan'ny taona 2021. Teo anelanelan'ny taona 1989 sy 1990, niady ho mpikambana mavitrika ao amin'ny Mouvement Patriotique pour le Salut (MPS) (Hetsika Tia Tanindrazana ho fanavotana) hetsika fikomian'i Idriss Déby Itno, mpanohitra tamin'izany fotoana izany, izy mba hanongana ny fahefan'i Hissène Habré, filoha tamin'ny taona 1982 ka hatramin'ny 1990. Rehefa nahavita fianarana tany Canada i Dillo, dia niverina an-tanindrazana satria antsoina hody any Tchad izy amin'ny ankapobeny, ary niaraka amin'i Idriss Déby Itno tamin'ny fomba ofisialy. Nifarana anefa io fiarahana io nandritra ny areti-mifindra Covid-19 rehefa nampangain'ny fiadidian'ny filoham-pirenena ho nanala baraka ny tenan'i Hinda Déby Itno, vadin'ny filoham-pirenena i Dillo.

Nantsoin'ny fitsarana i Dillo, ary tsy nety namaly ny fiampangana azy tamin'izany fotoana izany. Nisy nanafika ny trano fonenany tamin'ny 27 febroary 2021. Nandritra ny fifandonana, namoy ny ankohonany roa, ny reniny sy ny zanany izy. Nandositra an’i Tchad izy ary nialokaloka nitsoa-ponenana tany Belzika.

Saingy talohan'ny nandehanany, nametraka ny ny firotsahany hofidiana amin'ny anaran'ny Antoko Sosialista tsy misy sisintany (PSF) tamin'ny fifidianana filoham-pirenena ny volana Aprily 2021 izy; na izany aza, tsy neken'ny Fitsarana Tampony ny firotsahan-kofidiana.

Taorian'ny fahafatesan'i Idriss Déby Itno tamin'ny 20 aprily 2021, niverina tany an-tanindrazana i Dillo ary nanao hetsika hampivondrona ny Tshadiana mpanohitra  tamin'ny fikasana hanangana vondrona iray ho amin'ny fifidianana filoham-pirenena amin'ny volana Mey 2024. Nahavita nampiditra an'i Saleh Deby Itno, dadatoan’ny filoham-panjakana ankehitriny Mahamat Idriss Déby izy.

Ny toe-java-misy tamin'ny fahafatesan'i Yaya Dillo Djérou

Tamin'ny 27 Febroary 2024, nanakoako ny fifampitifirana nandritra ny fanafihana manodidina ny Sampan-draharahan'ny Fiarovam-pirenena ao Tchad, ao an-tanànan'i N'Djaména, renivohi-pirenena, taorian'ny fisamborana ny sekretera miandraikitra ny fitantanam-bola ao amin'ny PSF. Ity farany ity dia voampanga ho niketrika fikasana hamono an'i Samir Adam Annour, filohan'ny Fitsarana Tampon'i Tchad tamin'ny 19 Febroary 2024. Nolavin'i Dillo ireo fiampangana ireo, izay nofaritany fa namboamborina.

Araka ny filazan'ny governemanta Tchadiana, notarihan'ireo tafika avy amin'ny antoko PSF ny fanafihana ny Sampan-draharahan'ny Fiarovam-pirenena. Ho setrin'izany, tamin'ny 28 Febroary 2024, nitarika fanafihana tao amin'ny foiben'ny antoko ny tafika ka nahafaty olona am-polony: fito no maty, ka miaramila ny efatra tamin'izany, ary telo no maty tao amin'ny PSF, anisan'izany i Yaya Dillo Djérou. Tao anatin’izany, nosamborin’ny tafika ihany koa i Saleh Déby Itno.

Ho an'ireo mpikambana ao amin'ny antokon'i Dillo, famonoana olona izany. Nivoaka tao amin'ny lahatsoratry Tv5monde, Robert Gamb, sekretera jeneralin'ny PSF, niantsafa tamin'ny Agence France Presse (AFP) avy any Libreville, renivohitr'i Gabon, ka nanambara hoe:

C'est une exécution, ils ont tiré à bout portant sur lui pour l'exécuter car il était devenu gênant. On ne peut pas attaquer avec tout un arsenal de guerre un opposant seul dans un bureau” et “qui n'avait pas d'arme”.

Famonoana olona izany, notifirin’izy ireo nitohoka izy mba hamonoana azy satria lasa mpanakorontana. Tsy (tokony) hotafihana amim-pitaovam-piadiana maro ny mpanohitra iray manirery ao amin'ny biraony” sady “tsy nanana fitaovam-piadiana”.

Miombon-kevitra amin'ny fehin-kevitry ny mpikambana ao amin'ny antoko mpanohitra teo aloha i Max Kemkoye, lehiben'ny vondrona fakan-kevitry ny mpisehatra ara-politika. Amin'ity horonantsarin'ny Tv5monde ity, manazava izy hoe:

Lavin'ny governemanta io fiampangan'ny mpikambana ao amin'ny antoko politika mpanohitra efa maty io. Ao amin'io lahatsoratra ao amin'ny Tv5monde io ihany, Abderaman Koulamlah, Minisitry ny Serasera, nilaza fa ilay mpanohitra no nanomboka ny fifampitifirana izay nahafaty azy:

Nous n'avons exécuté personne. Il a refusé de se rendre, il y a eu des échanges de balles, il n'y a pas eu d'exécution dans cet assaut qui a fait quatre morts chez les militaires et trois dans le camp de M. Dillo. Il avait lui-même tiré sur les forces de l'ordre.

Tsy namono olona izahay. Tsy nety nitolo-batana izy, nisy ny fifampitifirana, tsy nisy ny famonoana tamin’ity fanafihana ity izay nahafatesana miaramila efatra ary telo tao amin’ny tobin’Atoa Dillo. Izy mihitsy no nitifitra ny mpitandro ny filaminana.

Tao amin'ny tambajotra X (Twitter teo aloha), mampifandray ny fahafatesan'i Yaya Dillo Djérou sy ny an'i Ibni Oumar Mahamat Saleh, Tshadiana mpanohitra iray hafa nanjavona tamin'ny taona 2008 i Nathaniel Olympio, mpanao politika Togoley. Nanoratra tao amin'ny kaontiny izy hoe:

#Tchad: Maty voatifitra teo amin'ny lohany tao amin'ny foiben'ny antokony ny mpanohitra Yaya Dillo, mpifaninana goavana amin'ny filoham-panjakana, ny jeneraly Mahamat Kaka Déby Itno, amin'ny fifidianana filoham-pirenena hoavy. Nitrangana ady mitam-piadiana tao an-drenivohitra N’Djamena.

Mamerina antsika ny tamin'ny volana Febroary 2008 izany. Nandritra ny fitondran'i Idriss Déby Itno, nisy naka an-keriny nandritra ny ady mitam-piadiana nitranga tao an-drenivohitra ny lehiben'ny mpanohitra, ilay matematisiana Ibni Oumar Mahamat Saleh. Tsy hita intsony izy. Tsy tokony ho lasa resaka fiainana na fahafatesana ny maha mpanohitra politika. Tena maika ny fametrahana fandriampahalemana ao Tchad. Tsy maintsy miasa amin'izany ny Vondrona Ara-toekarena ao amin'ny Firenena Afrikana Afovoany @CEEAC_ECCAS ary tsy afaka hijery fotsiny ny @_AfricanUnion manoloana izany.

Tamin'ny 1 martsa 2024, roa andro taorian'ny fanafihana, noravàna ny foiben'ny antoko politika PSF noho ny baikon'ny manampahefana ao amin'ny firenena.

Hatramin'ny fitsapan-kevi-bahoaka tamin'ny 17 Desambra 2023, izay mahakasika ny fandaniana lalàmpanorenana Tchadiana vaovao, nihenjana ny toe-draharaha ara-politika tao amin'ity firenena ity, izay mitàna ny laharana faha-109 amin'ireo firenena 180 ao amin'ny laharana taona 2023 navoakan'ny Reporters sans frontières. Maneho ny famerana ny fahalalahana maneho hevitra ao amin'ny firenena izany laharana izany.

Vakio: Ny fodian'ilay Tshadiàna mpanohitra kandidà amin'ny fifidianana filoham-pirenena: famahavahàna iarahana amin'ny manam-pahaizana Bienvenue Madjilem

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.