· Desambra, 2007

Tantara mikasika ny Fifidianana tamin'ny Desambra, 2007

Kenya: Androany no tokony nianiana ny filoham-pirenena vaovao

  30 Desambra 2007

Nomarihin'ny Mpitsara (mpahay lalàna) Kenyana ary fa araka ny Lalam-panorenana Kenyan dia tokony ho nahavita ny fianianany androany ny filoham-pirenena vaovao: “Ny eritreritro manaraka rehefa nihaino ny mpanao fihetsiketsehana aho; dia nifarana androany ny fe-potoam-piasan'i H E Mwai Kibaki, efa tokony ho filoham-pirenena ho eo ambanin'ny Lalam-panorenena no nianiana androany.” Ndesanjo Macha

Pakistana: fihetseham-po noho ny fahafatesan’i Bhutto

  28 Desambra 2007

Nanaitra ny mpamaham-bolongana avy sy manoratra momba an’i Pakistana maro ny fahafatesan-dRtoa Benazir Bhutto. Raha azo lazaina ho mampiady hevitra ihany ny politikan’i Bhutto, dia teo amin’ny fotoana nanantenan’i Pakistana hiverenan’ny demokrasia banga nandritra ny taona maro indrindra no nitrangan’ny famoanoana azy ity. Lahatsora-pihantsiana avy amin’ny tsy finoana, na fanahiana...

Thailand: Mitarika ny PPP

  24 Desambra 2007

Bangkok Pundit eto no mamoaka tsikelikely sy mamakafaka ny valim-pifidianana izay vao novitaina teo. Ny PPP (People's Power Party na antokon'ny fahefam-bahoaka), izay noheverin'ny maro fa antoko nipoitra avy amin'ilay antoko nofoanana  Thai Rak Thai no mitana ny laharana voalohany amin'ny fahazoana seza amin'izany. Preetam Rai

Fifidianana Madagasikara : Fampitandremana ho an’ny fitondrana ?

  21 Desambra 2007

(saripikan'i Harinjaka) Tamin’ny valim-pifidianana monisipaly notontosaina tamin’ny herinandro lasa teo ho an’Antananarivo, renivohitry Madagasikara, resin’ny kandida mahaleo tena Andry (Nirina) Rajoelina ny avy amin’ny antokon’ny filoham-pirenena Hery Rafalimanana, amin’izao fivadihan-javatra izao dia heverin’ny mpamaham-bolongana maro fa fampitandremana ho an’ny filoha ankehitriny io vokatra io. Mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny...

Kenya : Ireo zavatra telo mahadomelina ny mpifidy Kenyana

  15 Desambra 2007

Ny mpiblaogy Kumekucha dia mampiharihary ireo olana telo lehibe izay mpahazo ny mpifidy Kenyana : « Tribalism. Corruption. Short-term memory. These are the three opium’s we must exhale out of our body system before you go vote on the 27th. » « Adim-poko. Fitantanana tsy madio. Malaky very tadidy. Ireo...