Tantara mikasika ny Fifidianana tamin'ny Desambra, 2013
Fidinana An-dàlambe Miisa 7 No Hita Tany Azia Atsimo Atsinanana Ny Taona 2013
Governemanta maro tany amin'ny faritr'i Azia Atsimo Atsinanana no niatrika fihetsiketsehana goavana maro tamin'ny alalanà fidinana an-dàlambe ny taona 2013. Mbola mitaky ny fialàn'ny lehiben'ny governemanta hatramin'izao ny mpanao fihetsiketsehana ao Tailandy.
Shinoa An-jatony Mpanao Lalàna Tao An-toerana Noroahana Noho Ny Raharahan-Tsolotra Faobe
518 ireo mpanao lalàna tao Hengyang ary 68 ireo mpitantan-draharaha no tratra nandray tsolotra ka 512 no noroahana. .
Bangladesh : Herisetra Ara-Politika, ‘Firy ny Maty Vao ho Afa-Po Ry Zareo ?’
Nahafaty olona maro sy mbola mampatahotra ny hafa handeha hamonjy ny asany ny andianà herisetra maka endrika politika natao tamin'ny fiara fitateram-bahoaka sy fiara vaventy any Bengladesh.
SARIPIKA: Fanoherana Ny Fanodikodinana Ny Hevi-Bahoaka Tamin'ny Fifidianana Filoham-Pirenena Koreana Tatsimo Natao Tao New York, Paris, London
Nanatontosa fiaretan-tory tao New York, Paris, London ary Berlin ny Koreana Tatsimo monina ampitan-dranomasina nandritra ny faran'ity herinandro ity, nanameloka ny fanodikodinana ny hevi-bahoaka nataon'ny sampan-draharaham-panjakana Koreana Tatsimo nandritra ny fifidianana filoham-pirenena farany.
Mandeha Ny Fandrotsahambato Hifidianana Ny Ho Filoha Eto Madagasikara
Nandeha ho any amin'ny biraom-pifidianana, manantena ny hisian'ny ainga vaovao taorian'ny krizy maharitra, ny olom-pirenena Malagasy hifidy ny filoha vaovao ny andron'ny 20 desambra.
Fifidianana Madagasikara: Sambany Aho Tsy Naharaka #mdg2013
[...] N' inona n'inona firehana sy tsy fitovian-kevitra dia tokony manaiky. Zay tsy faly @voka pifidianana d aoka hiandry 5taona fa mba tsy hisy intsony fanonganam-panjakana., [...]
Nandefa Bitsika 24,2 Tapitrisa ny Masoivoho Fitsikilovana Sy Ny Tafika Mba Hanodikodinana Ny Fifidianana Any Korea Atsimo
Naboraky ny ampamoaka iray vao haingana fa voalamina sy natao tamin'ny maridrefy avo dia avo ilay fanodikodinana ny fifidianana filoham-pirenena. Mitroatra anatinà bitsika mifono hatezerana ny tontolon'ny Twitter ao Korea Atsimo.
Manakana Fihetsiketsehana Any Etazonia Ry ‘Dadabe Daban-Dasantsy’ Avy Any Korea Atsimo
Manohitra ny fihetsiketsehana tontosaina any Etazonia ho fanoherana ilay raharahan'ny sampam-pitsikilovana nanamboamboatra ny fifidianana ry 'Dadabe daban-dasantsy' mahery setra avy amin'ny elatra farany havanana.
Korea Atsimo : Voampanga Ho ‘Mpomba ny Tavaratra’ Ny Pretra Katolika iray Nitsikera Ny Governemanta
Pretra katolika iray nitsikera tsy nihambahamba ny filohan'i Korea Atsimo tamin'ilay fampielezan-kevitra nahamenatra nataon'ny governemantany no nolazaina fa 'mpomba ny Tavaratra' sy nanaovana fanadihadiana.