· Oktobra, 2012

Tantara mikasika ny Fifidianana tamin'ny Oktobra, 2012

Filipina: Fanairana “Epal” Zava-Mahamenatra Ataon'ny Mpanao Politika Hita Ao Amin'ny Aterineto

  31 Oktobra 2012

Herintaona latsaka alohan'ny fifidianam-pirenena 2013, namoaka fanentanana tao amin'ny aterineto ny mpiserasera, fanairana manohitra ny fomba fanaon'ny mpanao politika Filipina “mahamenatra” amin'ny fametrahana ny anaran'izy ireo amin'ny tetikasan'ny governemanta izay tohanana na/sy ampian'ny minisiterany. Petahana marika hoe “epal” ireo mpanao politika, “epal”, tenin-jatovon'ny Filipino midika hoe “tandremo mpangalatra,” noho ny fampiasana ny volam-bahoaka...

Venezoelà: Sioka sy Tenifototra nandritra ny androm-pifidianana

  30 Oktobra 2012

Raha asaina misafidy tambajotran-tserasera tiany indrindra ny Venezoelana, ny heverina ho aliny indrindra dia ny Twitter. Satria, io no be mpisera indrindra nifaresahana indrindra tamin'ny fifidianana alahady 7 Oktobra 2012. Amin'ireo tenifototra isan-karazany mahazo vahana amin'ny lisitra ironana ao amin'ny firenena ny Venezoelana no milaza sy miady hevitra, mitatitra ary mizara. Saingy...

Okraina: Teknolojia Ho Amin'ny Fifidianana Mangarahara

Nifidy solombavambahoaka ny Okrainiana tamin'ny 28 Oktobra teo. Noho ny fanagadran'ny filoha am-perinasa ankehitriny ireo mpanao politika mpanohitra, nahasarika tanteraka ny fiarahamonina iraisam-pirenena ny fizotry ny fifidianana. Manoloana ny filazan'ny antokon'ny fitondrana amin'ny fampiasana ny fitaovam-panjakana mandritra ny fampielezan-kevitra, nampanantena ny governemanta Okrainiana ankehitriny fa atao mangarahara, marina izany ary mpanara-maso iraisam-pirenena...

Ghanà: Fampahalalàna An'i Agnes Chigabatia – Mpanao Politika Vehivavy Ghaneana

  29 Oktobra 2012

Nisy ny ezaka lehibe nataon'ireo vehivavy teo amin'ny sehatry ny politika Ghaneana. Ghana Decides, tetikasa tsi-mitanila izay mikendry ny hanome vaovao araka ny tokony ho izy ho an'ireo mpifidy mikasika ny fifidianana malalaka, madio sy azo antoka amin'ny fifidianana 2012, tamin'ny alalan'ny fampiasana fifampitam-baovao sosialy no nijerena ny mombamomba ilay kandida parlemantera...

Israely: Nikambana ny Antoko Ankavanana Mba Hanome Bibirman

Naneho hevitra tao amin'ny Facebook sy Twiiter ny Israeliana manoloana ny fanambarana fa hanao biletam-pifidianana mitovy ireo antoko roa ankavanana lehibe mavesa-danja amin'ny fifidianana hoavy amin'ny Janoary 2013. Mikasa handrombaka ny governemanta manaraka ao Israely ny antoko, Likud, tarihin'ny Praiminisitra Binyamin (Bibi) Netanyahu, sy ny Antoko Yisrael Beyetenu tarihin'ny Minisitry ny Raharaham-bahiny...

Chile: #LosQueSobran Fanentanana Manosika Ny Tanora Handeha Any Amin'ny Biraom-Pifidianana

  27 Oktobra 2012

Misy vondro-pikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana Shiliana iray miara-dia handrisika ny tanora Shiliana hifidy mandritra ny Fifidianana Kaominaly izay hotontosaina amin'ny Alahady 28 Oktobra 2012. Manao izao hetsika izao ireto fikambanana ireto ahitana ny – Ciudadano Inteligente, Un Techo para Chile, Educación 2020 [es], Chao Pescao [es], ary Iguales [es] – satria sambany...

Tontolo Arabo: Mitovy i Obama sy Romney Mikasika An'i Syria

Nanana teny masiaka hozaraina ny mpiserasera Arabo rehefa avy niandry hatramin'ny vao maraimbe mba haneho hevitra mikasika ny adihevitra momba ny fifidianana filoham-pirenena Amerikana teo amin'ny filoha Obama sy ilay Repoblikana be fanantenana Mitt Romney alohan'ny fifidianana amin'ny Novambra izao. Tao amin'ny Twitter, nitsikera ny politika Amerikana momba an'i Syria...

Koety: Fihetsiketsehana Goavana Indrindra Ao Amin'ny Firenena?

Nampiasaina ny baomba mandatsa-dranomaso sy ny grenady mba hanaparitahana ny fihetsiketsehana manohitra ny fanovana ny lalàm-pifidianana ao Koety. Nalefa tao amin'ny Twitter ny antso ho amin'ny diabe Karamat Watan (Fahamendreham-pirenena), izay natao tamin'ny Alahady, ary nahasarika olona teo amin'ny 150,000 teo tamin'ireo mponina 3 tapitrasa ao amin'ny firenena. Nanambara ny...