Tantara mikasika ny Fifidianana tamin'ny Novambra, 2014
Bahrain: Minisitry Ny Fitsaràna Niady Tamin'ny Tonian'ny Famoahana Gazety An-tsoratra Tao Amin'ny Twitter
"Mitonia aloha ianao, ry olona hajaina, manome toerana bebe kokoa ho an'ny rariny ny fisainana malalaka," nibitsika tamin'ny minisitry ny fitsaràna i Mansoor Al-Jamri, izay nitsikera ny lahatsoratr'i Al-Jamri momba ireo fifidianana ao Bahrain.
Fifidianana Mialoha ny Fotoana ao Japana Manakona ny Toekarena Mitontongana
Raha miantso ny fihetsik' Abe ho "tia-tena" ny mpaneho hevitra sasany, mihevitra kosa ny sasany fa miatrika fankahalana politika i Abe ary ny fanatontosana fifidianana mialoha ny fotoana dia mety ho pitik'afo hampirehitra ny mpanohitra tsy mba mihetsika ao Japana.
Ny Andron'ny Fifidianana, Nanakatona Ny Vohikala @Verdade Mpilaza Vaovao Ao Môzambika Ny Fanafihana Anaty Aterineto

Ny ankatoky ny fifidianana io fanafihana io no niseho ary nahavita nanakatona ilay vohikala vantany vao nifarana mihitsy ny fifidianana ka hanisa vatom-pifidianana.
Lasa i Compoaré, Manadio Lalana sy Manahy Amin'izay Ataon'ny Tafika ny Fiaramonim-Pirenena Burkinabé
Misavoritaka ny ao Burkina Faso taorian'ny revolisiona niteraka ny fandroahana an'i Compaoré.