Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Oktobra, 2018

Tantara mikasika ny Fifidianana tamin'ny Oktobra, 2018

30 Oktobra 2018

Tonizia: Fotoana Fisoratana Anarana Amin'ny Fifidianana Izao

Nanomboka ny 11 Jolay 2011 ny fisoratana anarana anatin'ny lisi-pifidianana tao Tonizia ary hikatona ny 2 Aogositra 2011. Kanefa asejon'ireo antontanisa ny fisalasalan'ny Toniziana hisoratra anatin'ny lisitra. Izany no nahatonga vondrona iray ahitàna Toniziana mpanoratra bilaogy nanangana hetsipanentanana anaty aterineto hampirisihana ny vahoaka hisoratra anarana anatin'ny lisi-pifidianana Antenimieran-dalàmpanorenana.

Rosia: Ireo Mpifidy Tsy Legioma ary Vaovao Hafa Mikasika Ny Fifidianana

Roa herinandroa sisa mialoha ny fifidianana Rosiana Duma; ary tsy dia lavitra ihany koa ny fifidianana ny ho filoham-pirenena. Hitanao etsy ambany ny topimaso maimaika iray amin'ny fandrakofana ny fifidianana avy amin'ny tontolon'ny blaogy.

28 Oktobra 2018

Rosia: Hifidy sa Tsy Hifidy?

Hifidy - sa tsy hifidy? ''Hifidy amin'ny tongotrao'' - sa hanaraka ny torohevitr'i Mikhail Khodorkovsky ary hifidy ny iray amin'ireo antoko kely indrindra tsy ''ambanianao''? Hanao ankivy ny fifidianana - sa hanimba ny vatom-pifidianana? Ho hahitsy tsara sy hanamarina ny iray amin'ireo efajoro kely fandatsahambato - sa ho lasa maditra...

23 Oktobra 2018

Fifidianana tany Iran: Nanao fanentanana an-tserasera ny mpanohana an'i Ahmadinejad 

Nilatsaka kandida ho an'ny fifidianana filoham-pirenena ny volana Jona 2009 ny filohan'i Iran Mahmoud Ahmadinejad . Tahaka ireo mpifaninana aminy, niandry ny fankatoavana ofisialy hifaninana tamin'ny fifidianana avy amin'ny Vaomieran'ny Mpiambina izy. Nandritra izany fotoana izany, nanomboka fanentanana antsoina hoe "Manaraka ny Hatsaram-panahy" ireo mpanohana an'i Ahmadinejad .

22 Oktobra 2018

Olona firy no halatsa-drà vao hanan-jo hifidy ny Afghana?

Ny fifidianana nokasaina atao amin'ny 20 Oktobra dia antony iray hanehoana fankalazana saingy koa fialantsiny mba hanaovan'ireo mpitolona mitam-piadiana fanafihana.

Iran: Nipoaka ny hetsi-panoherana taorian'ny fifidianana

Olona an'arivony no nanao fihetsiketsehana tao Teheran, Mashhad sy tany amin'ny tanàndehibe maro hafa tao Iran nanohitra ny fandresen'ny filoha Mahmoud Ahmadinejad tamin'ny fifidianana filoham-pirenena Iraniana. Reformista mpifanandrina roa samihafa sy ireo mpanohana azy no nanitrikitrika fa nisy hosoka tamin'ny fifidianana.

21 Oktobra 2018

Koety: Malahelo an'i Shaikh Saad

(May 2008) Maty teo amin'ny faha-78 taonany i Shaikh Saad Al Abdulla Al Sabah, ilay mpitondra fahiny an'i Koety rehefa narary nandritra ny fotoana ela. Tohina tamin'ireo vaovao ny vondrom-piarahamonina an-tambajotra tao Koety, ka hafatra fangorahana sy fitsapana alahelo aman-jatony no niraradraraka nameno ireo blaogy amin'ny teny Arabo sy Anglisy....

19 Oktobra 2018

Maniry ny hidiran'ny firenena ao amin'ny OTAN sy Vondrona Eoropeana ve ny Makedoniana? Ny fitsapa-kevi-bahoaka manan-tantara ho hilaza

Manontany mazava ny fitsapa-kevi-bahoaka amin'ny 30 Septambra hoe: Mankasitraka ny fidirana ao amin'ny EU sy ny OTAN ve ianao amin'ny fanekena ny Fifanarahana eo amin'ny Repoblika Makedonia sy ny Repoblikan'i Gresy?'

Honduras: Lasa filoha ihany i Porfirio Lobo taorian'ny fifidianana nampiady hevitra

Ny fifidianana dia efa nampiady hevitra satria fanohanana ankolaka ny fanesorana ny filoha teo aloha Manuel Zelaya tamin'ny volana Jona taorian'ny fanonganam-panjakana nataon'ny miaramila. Tamin'izany fotoana izany, nandimby toerana an'i Zelaya i Roberto Micheletti, izay filohan'ny Kongresy Nasionaly, ary nandimby ny toerany mandra-pahatonga ny fifidianana tamin'ny volana Novambra 2009.

18 Oktobra 2018

Maraoka : Fahafatesan'i Driss Basri, ilay ”mpivaro-kena”

Maty tany Parisy i Driss Basri, ilay lehilahy mahery nandritra ny fitondran'i Hassan II izay nampangaina ho nahavita fampijaliana sy hetsika mahatsiravina.