Tantara mikasika ny Fifidianana tamin'ny Oktobra, 2015
Tranga Manafintohina Mampirongatra Ny Ahiahin'ny Katalàna Mialoha Ny Fifidianana Manan-Tantara Momba Ny Fahaleovantena
Vao mainka nampirongatra ny tsy fitokisan'ny vahoaka Katalàna ireo hadisoam-pamindra nampalahelo nataon'ny governemanta Espaniola, herinandro mialoha ilay fifidianam-paritra momba ny "fahaleovantena"-n'i Katalonia natao ny 27 Septambra.
Tsaroan'ireo Tanzaniana Miaraka Amin'ny #DearNyerere ilay Ray Nanorina Ny Fireneny
#DearNyerere, tamin'ny andronao, ny asa tsara natao ho an'ny firenena no fototry ny laza, saingy amin'izao andronay izao dia ny hamaroan'ireo mpanjohy anao ao amin'ny Instagram sy Twitter.
Fihaonambe Ho An'ny Fandriampahalemana Tao Ankara: Fipoahana Nahafatesana Olona 86 Raha Kely Indrindra
Ny fanafihana tamin'ny 10 Oktobra teo no goavana indrindra teo amin'ny tantaran'i Tiorkia, nitranga indrindra raha mbola eo ampikarakaràna fifidianana hatao ny 1 Novambra ny firenena, izay toa sarotra tanterahana raha ny fahitàna azy.
Fandresena Miezinezina Tsy Nampoizina Ho An'ny Antoko Eo Amin'ny Fitondràna Any Singaporo
Nahazo fandresena miezinezina ny antoko eo amin'ny fitondrana any Singaporo, izay efa teo amin'ny fitondrana hatramin'ny 1959, tamin'ny fifidianana solombavam-bahoaka farany teo. Maro no gaga tamin'ny vokatra.
Olona Efatra ao amin'ny Dinika Nasionaly Toniziana Nandrombaka Ny Loka Nobel Fandriampahalemana
Ao anatin'ny hafaliana ny Toniziana satria nankasitrahana tamin'ny alalan'ny fanomezana loka Nobel Fandriampahalemana ireo efatra nandrafitra ny Dinika Nasionaly ny fandrosoana ara-demokratikan'izy ireo.
Fiarahamonim-pirenena Kyrgyz Manery Ny Tànan'ny Parlemanta Hiroso Amin'ny Fanentanana #Seza120
Tsy nanana fotoana nipetrahana teo amin'ireo sezany akory ireo solombavambahoaka vaovao Kyrgyzstan dia efa taoriany sahady ireo vahoaka.
“Ho an'ireo Tsy Mahavita Intsony Mandeha Mifidy Amim-pahavitrihana”
"Tsy misy tokony ho andrasana intsony amin'ireo izay mitondra antsika." Misy hetsika ataon'olon-tsotra mandray an-tànana ny raharaha.
Mpanavakavaka, Mpankahala Pelaka ary Anti-semita ny Minisitra Lefitry ny Fitaterana Voatendry Vao Haingana Ao Gresy
Ny anton'ny fandroahana tampoka dia fanambarana izay, roa taona lasa izay, namoaka fanehoan-kevitra manavakavaka, antisemita sy mankahala pelaka tao amin'ny kaonty Twitter efa tsy miasa intsony i @portaporta ("isam-baravarana") na i Kammenos.