Tantara mikasika ny Fifidianana tamin'ny Aogositra, 2014
Famoretan'ny Mpitondra Ao Makaô Amin'ireo Mpikatroky Ny Demôkrasia Mitaky ny Zo Hifidy Mpitondra
Mifidy ny lehibeny amin'ny alalan'ny kaomity i Makaô, izay faritra manana rafi-pitantanana manokana ao Shina. Nikarakara fitsapankevibahoaka tsy ofisialy ho an'ny zo ahafahana mifidy amin'ny taona 2019 ireo ny vondrona telo mpiaro ny demôkrasia.
Maty Vokatry ny Lozam-piaramanidina ny Kandidà ho Filoham-pirenena Breziliana Eduardo Campos
Nitovy tamin'ny andro nahafatesan'ny raibeny Miguel Arraes, izay iray tamin'ireo endrika lehibe indrindra teo amin'ny politika sosialista tany Brezila nandritra ny taonjato faha20, ny andro nahafatesan'i Campos, ny 13 Aogositra.
Nanasa Tena Tany Amin'ny Fetin'ny Filoha (Vaovao) Tiorka Ny Filoha Kyrgyz
Raha lasa filohan'ny Tiorkia voalohany voafidim-bahoaka i Recep Tayyip Erdoğan, nanana vahiny tsy nampoizina izy mba hanindrahindra azy. Lasa olo-malaza tampotampoka teo tamin'ny Twitter, tany Tiorkia ny filohan'i Kyrgyzstan Almazbek Atambayev.
Hiafara amin'ny Harena sa Hadisoam-panantenana ny Fikarohan'i Inde “Vola Maloto” Avy Any Ivelany?
Miankina amin'izay anontanianao izany. Araka ireo vinavina sasantsasany, mahatratra 1,34 arivo lavitrisa dolara ny sandan'ny vola miafina any ivelany, izay mety ho hampiasain'i Inde amin'ny fampandrosoana.