Tantara mikasika ny Fifidianana tamin'ny Desambra, 2012
Italia : #iostoconmarco, Miaraka Amin'i Marco Pannella Manohitra Ireo Fonja Tsy Manaja Ny Maha-Olona
Tanjon'ny fitokonana tsy hihinan-kanina sy tsy hisotro rano nataon'ilay mpitarika ny radikaly italiana ny hiampangàna ny fepetra iainan'ireo voafonja any amin'ireo fonja italiana, ny hitakiana ny hampihenana ny isan'ireo voafonja ary hanomezana azy ireo ny zo ho afaka hifidy. Lohahevitra izay tokony ho hita any anaty fandaharan'asam-pifidianan'ireo antoko politka hiatrehana ny fifidianana voatondro ho amin'ny Febroary 2013.
Zanakavavin'ilay Mpanao Didy Jadona taloha no voafidy ho Filoham-Pirenena ao Korea Atsimo
Tamin'ny 19 Desambra 2012, Park Geun-hye dia voafidy ho Filoham-pirenena manaraka indray ao Korea Atsimo. Izy dia avy amin'ilay antoko ila havanana Saenuri party sady zanakavavin'ilay mpanao didy jadona taloha Park Chung-hee. Na dia teo aza ireo zava-bitan'i Park amin'izao izy vehivavy voalohany voafidy ho Filoham-pirenena ao anaty fiaraha-monina izay ny lehilahy no Loholona izao, ireo tanora liam-pandrosoana sy tia fihetsiketsehana dia manohitra mafy an'i Park.
Nakarin'ny Mpanohitra NPP Fitsarana ny Vali-Pifidianana Filoham-Pirenena ao Ghana
Tsy neken'ny NPP, antoko mpanohitra lehibe indrindra any Ghana, ny vali-Pifidianana Filoham-Pirenena. Nambaran'ny filohan'ny vaomieram-pifidianana ho mpandresy nahazo ampaham-bato 50,70% ny filoha Mahama. Nametraka fitoriana tamin'ny fomba ofisialy tao amin'ny Fitsarana Tampony ny mpisolovavan'ny NPP tamin'ny 28 Desambra 2012.
Ekoatora: Mamorona Fitsipi-pitondrantena Ho An'ny Tambajotra Sosialy Ny Filankevi-Pirenena
Nanàla sarona ny Voto transparente, Conoce a Tu Candidato (Fifidianana mangarahara, Fantaro ny Kandindànao), tetikasa iray ikendrena ireo misehatra ara-politika sy ny olom-pirenena tsirairay, ka ny tanjona dia ny hampiroboroboana tontolo iray misy fifanajàna sy fifandeferana ara-potokevitra
Any Ejipta, Mbola Mangina ny Maro An'isa Mangina
Nandeha namonjy biraom-pifidianana hifidy ny lalampanorenana vaovao ny Ejipsiana, lalampanorenana natolotra sy notohanan'ny filoha Mohamed Morsi sy ny Antokon'ny Firahalahiana [mpirahalahy] Miozolomana Fahalalahana sy Rariny. Nasehon'ny fihodinana voalohany fa manohana...
Manelingelina Ny Fahazotoana Politika An-tserasera Ny Lalam-Pifidianana
Raha mianoka tanteraka ny fahalalahana amin'ny aterineto ny Japoney, dia miova kely izany toe-draharaha izany amin'ny fotoam-pifidianana. Ny Lalam-pifidianam-panjakana ao amin'ny firenena no mandrara ny ny kandidà ara-politika tsy hamoaka tahirin-kevitra na...
Fanentanana #Nimeregister Hampiroboroboana Ny fisoratana Anarana Hifidy Ao Kenya
Mampiasa ny tenifahatra #nimeregister ny keniana ao amin'ny Twitter handrisihana ny hafa hifidy sy hizara ny fampahafantarana ny fisoratana anarana, zava-niainana ary ny sary. Nimeregister dia fitambaran'ny teny Swahili sy anglisy (Sheng) izay midika hoe "nisoratra anarana aho."
Tsy Handray Anjara Amin'ny Fitsapa-kevi-bahoaka Ny Mpanohitra Ao Ejypta
Nilaza ny Firaisankinan'ny mpanohitra, Mandan'ny Famonjena ny firenena ao Ejypta tamin'ny alina (9 Desambra 2012) fa tsy handray anjara amin'ny fitsapa-kevi-bahoaka handaniana ny lalàmpanorenana vaovao, izay hotontosaina amin'ny Asabotsy (15...
Fifidianana 2012 Ghana, Avy Eny Amin'ny Vatam-Pifidianana
Namonjy ny biraom-pifidianana ny Ghaneana ny andron'ny 7 Desambra 2012, hifidy filoha sy parlemanta vaovao. Ireo tena mpifaninana lehibe hofidiana ho filoha moa dia ny filoha ankehitriny John Dramani Mahama...
Ora Sisa No Isaina Alohan'ny Fifidianana Filoham-pirenena ao Ghanà
Iray andro sisa alohan'ny androm-pifidianana ao Ghanà ary mihamafy hatrany ny fampielezan-kevitra – androany vao maraimbe, narahina sioka sy feon'anjomara, hiakam-pifaliana sy tehaka ny fampielezan-kevitra sasany. Miakanjo t-shirt am-pireharehana an'ny...