Tantara mikasika ny Fifidianana tamin'ny Oktobra, 2013
Manao Diabe Ireo Mpianatra Shiliana Mba Hitaky Fanavaozana Ny Rafi-Pampianarana
Anisan'ny fanentanana ankehitriny mitaky ny fanavaozana ny rafi-pampianarana ao amin'ny firenena ny fihetsiketsehana. Mandrisika ireo kandidà mba hizara tsanga-kevitra mivaingana amin'ny fanavaozana ny rafi-pampianarana ireo mpianatra tamin'ity indray mitoraka ity.
Mitaintaina i Madagasikara Raha Miatrika ny Fifidianana
Miandry tsy lavo loha ireo valim-pifidianana ny vahoaka eto Madagasikara, taorian'ny androm-pifidianana makotrokotroka.
Madagasikara: Betsaka Ny Lesoka Tamin'ny Fifidianana #mdg2013
Tsindrian-daona nandritra ny fotoana ela ny vahoaka niandry na ho tanteraka ihany na tsia ny fifidianana. Tontosa soa aman-tsara izany na teo aza ny tsy fahatomombanana maro isan-karazany tsikaritra nandritra ny fanomanana, nandritra ny andron'ny fifidianana, ary indrindra fa nikasika ny ora nolazaina fa hikatonan'ny birao fandatsaham-bato.
Madagasikara: Mafàna ny fara-doboka
[...]Fa ny tsy tokony ho adinon'ny tsirairay, na mpifidy izy na mpifaninana dia ny fiarovana ity fifidianana ity ho anaty mangaraharaha sy hilamina. Tsy sanatria hatoritory ka tsy hanara-maso ny fandehany, mialoha, mandritra ary aorian'ny latsa-bato.[...]
Madagasikara : Fifidianana Filoham-pirenena 25 Oktobra 2013 – Nankaiza Ireo Mpifaninana Hafa ?
Kandidà 33 no tokony ho fantarina sy ho hita etsy sy aroa, kanefa raha ny hita sy ny re matetika amin’ny fahitalavitra , ny onjam-peo sy ny tambajotra sosialy toy ny Facebook ,sns…dia ny antsasany amin’ireo Kandidà ireo ihany (16 isa ) no tena mitety faritra sy tena hita manerana ny tanàna
Ny Olana Rehefa Voafidy Ho Ben'ny Tanàna Any Rosia

Taorian'ny fampielezan-kevitra henjana tany Yekaterinburg, niatrika fisedrana iray vaovao indray i Evgeny Roizman: fahasarotan'ireo didim-pitsarana manelingelina ny faharaiketan'ny toerany, ny Douma am-panjakana ao an-toerana.
Portiogaly : Fifidianana Manamarina Ny Tsy Fitokisan'ny Olona Ireo Antoko Politika
Tsy fahatongavana mifidy, vato maty, vato fotsy ary mpifaninana tsy miankina. Ireo no safidin'ny antsasa-maherin'ny mpifidy tamin'ny fifidianana farany teo tany Portiogaly.
90 % -n'i Madagasikara No Tsy Mandray Afa-tsy 2 Dolara Isanandro. Fa Nahoana?
Ity fizarana ity dia hiresaka ny fitontonganan'ny fiainana sosialy sy ara-toekaren'i Madagasikara ary ireo vahaolana tokony hosaintsainina.
Fitaovana an-tserasera Hijerena Indray Mitopy Maso Ireo Sehatry Ny Kandidà Eto Madagasikara
Nanangana tranonkalam-pampitahana ny programan'asan'ny kandidà tsirairay [fr-mg] ny tranonkala Malagasy Madatsara. Nosokajiana ho sokajy sivy lehibe hanampiana ny olom-pirenena hanana fanapaha-kevita mandritra ny fifidianana ila sehatra. Hanomboka amin'ny 25 oktobra...
Vesatry Ny Fanaovana Politika, Fanazavana Ny Fifidianana Any Kamerona
Maro amin'ireo mpilatsaka ho fidiana ho Solombavam-bahoaka sy Mpanolotsaina Monisipaly Kamerone no tsy manana fandaharan'asa mazava tsara araka ny fitantaran'ireo mpifidy izay ao miaina anatin'ireo olana ireo.