Navoaka mialoha indrindra ny fifidianana ankapobeny tamin'ny 14 Febroary ny “Dirty Vote (Vato Maloto)”, horonantsary fanadihadiana momba ny voalaza fa hoso-pifidianana tany Indonezia, ary nalaza avy hatrany. Notarihin'i Dandhy Laksono, mpanao gazety, mpamokatra horontsarimihetsika, ary mpikatroka malaza amin'ny fanadihadiana lalina ataony izay matetika miresaka olana ara-tsosialy, ara-tontolo iainana ary ara-politika ao Indonezia ny fanadihadiana.
Tantarain'ny “Vato Maloto” ny hafetsena amin'izay voalaza fa hoso-pifidianana mahasahana rafitra (manontolo), voarafitra, sy izaitratra izay asehon'ny sarimihetsika fa mandrahona ny fandrafetana ny demaokrasia ao Indônezia mandritra ny zotram-pifidianana ataon'ny filoha ankehitriny, Joko Widodo (nomena anaram-bositra Jokowi), ka ahitana (saingy tsy voafetra amin'ny) fanodinkodinana ny rafi-pifidianana, fizarana feno tetikady amin'ny fandaharan'asa fanampiana ara-tsosialy mba hisarihana mpifidy ary fanerena ireo lehibe ao amin'ny tanànakely sy ny vondrom-piarahamonina.
HAMAKY BEBE KOKOA: Fitantarana manokana ataon'ny Global Voices momba ny fifidianana Indoneziana
Rehefa akaiky ny fiafaran'ny fe-potoam-piasana faharoa, nolavin'i Widodo ny fiampangana fa manomana tarana-mpitondra ara-politika vaovao izy. Na dia teo aza ny fandavana, dia iray lisitra amin'i Prabowo Subianto, komandin'ny hery manokan'ny tafika teo aloha ary vinantolahin'ny filoha nitondra ela indrindra tao Indonezia, tsy iza fa ny Filoha Suharto ny zanany lahimatoa, Gibran Rakabuming Raka, ben'ny tanànan'i Solo. Talohan'ny nanendrena azy ho minisitry ny fiarovam-pirenena tamin'ny taona 2020, voaràra tsy hiditra any Etazonia i Subianto noho ny fihoaram-pahefana voalaza fa ataony.
Ny zanaka faralahin'i Widodo, Kaesang Pengarep, no voatendry ho mpitarika ny Antoko Firaisankina Indoneziana (PSI), antoko politika mikendry ny tanora. Ankoatra ny zanany roa lahy, ben'ny tanànan'i Medan, faritra an-tanandehibe fahefatra lehibe indrindra ao Indonezia ny vinantolahin'i Widodo.
Nandritra ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety, notsipahin'ny ekipan'ny fanentanam-pifidianan'i Subianto ny fiampangana natao tao amin'ny fitahiry (lahatsary fanadihadiana). “Fanendrikendrehina ny ankamaroan'ny zavatra nolazaina tao amin'ny sarimihetsika. Fitantarana feno fankahalana izay tena mampisalasala sy tena tsy ara-tsiansa”, hoy i Habiburokhman, filoha lefitry ny ekipan'ny fampielezan-kevitr'i Subianto.
Araka ny voalazan'ny Andrim-Pifidianana ao Indonezia (KPU), Indoneziana maherin'ny 200 tapitrisa no afaka nifidy tamin'ny 14 Febroary nandritra ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka. Na dia mbola eo am-panangonana aza ny vato, mampiseho ny vokatra tsy ofisialy sy ny fanadihadiana momba ny fivoahana fa mitarika lavitra i Prabowo sy i Gibran.
Nahazo mpijery 13 tapitrisa mahery tao anatin'ny roa andro tao amin'ny fantsona YouTube natokana ho azy, ilay fitahiry, azo nojerena tamin'ny voalohany mandra-pisian'ny sakana tampoka rehefa tsy misy vokatra hita ny fikarohana azy tao amin'ny fantsona YouTube. Nahatonga ny Ivotoerana Indoneziana Fianarana Lalàna sy ny Fanaovan-dalàna – Indonesian Center for Law and Policy Studies (PSHK) izany hamerina hamoaka azy anjotra indray ahafahan'ny olona mijery ilay fitahiry. Nahazo mpijery 8 tapitrisa ilay lahatsary, hatramin'ny 13 febroary, 48 ora taorian'ny nampidirana anjotra azy indray. Na dia nahazo mpijery an-tapitrisany maro sy ny firotsahana betsaka tahaka izany aza ilay fitahiry, dia nataon'ny mpamoaka azy tao amin'ny fantsona YouTuben'ny PSHK ho an'ny tena manokana [izy ihany no mahita azy] nandritra ny herinandrom-pifidianana. Tsy nohazavaina mazava ny anton'io fanapahan-kevitra io.
Efa naneho fironana mankany amin'ny fepetra henjana hifehezana votoaty anjotra ny governemanta Indoneziana. Manome hery ny manampahefana hanaramaso ary indraindray hametra votoaty nomerika anaty fepetra midadasika ny lasitrasa fifehezan'ny firenena, indrindra amin'ny alàlan'ny Lalàna momba ny Fampahalalam-baovao sy Fifanakalozambarotra Elektronika (UU ITE), ao anatin'izany ny fanalam-baraka, ny kabarim-pankahalana ary ny vaovao diso.
Notoriana ho manendrikendrika
Notoriana tany amin'ny polisy noho ny fanendrikendrehana i Dandy Laksono, miaraka amin'ireo mpikaroka ara-panaovan-dalàna (politika) nandray anjara tamin'ny sarimihetsika toa an'i Zainal Arifin Mochtar, Feri Amsari, ary Bivitri Susanti.
Avy amin'ny vondrom-piarahamonin'ny mpianatry ny sekoly kilasimandry islamika (fantatra eo an-toerana amin'ny anarana hoe “Santri”) antsoina hoe Sehatra Indoneziana Fifaneraserana Santri (Foksi) ny fitarainana. Toa misy ifandraisany amin'ny PSI, izay antoko politika tarihin'ny faralahin'ny ny filoha Widodo ny Foksi.
Niharan'ny fanenjehana ny fikasana handefa ho an'ny daholobe ny horonantsary “Dirty Vote” tao Jakarta rehefa nofoanan'ny mpitantana ny toerana ny hetsika, tamin'ny filazana fa “fanitsakitsahana ny fitsipiky ny fitsaharan'ny fanentanam-pifidianana”.
Tsy kivy, niditra an-tsehatra ny mpiserasera vitsivitsy, nikarakara fandefasana ho an'ny daholobe ifarimbonana tamin'ny alalan'ny kaontin'izy ireo YouTube manokana, izay ahafahan'ny mpijery mijery sy maneho hevitra mandritra ny fandefasana. Nahafahana nanodina ny fanafoanana izany fanapahan-kevitra izany ary nahafahan'ny mpiserasera nijery ilay sarimihetsika na dia teo aza ny sivana nomerika.