· Septambra, 2010

Tantara mikasika ny Fifidianana tamin'ny Septambra, 2010

Brezila: “Ataovinareo irery” Diovy ny Fifidianana

  14 Septambra 2010

Iray volana latsaka eo sisa dia hisy fifidiana eto Brezila ary ny Eleitor 2010 dia efa nanjary lasa mpilalao mpitondra fiovàna: io dia tetikasa iray "fanangonam-baovaoa ifotony" mikendry ny hanamorana ny fitateran'olon-tsotra ireo fanitsakitsahana ny lalam-pifidianna. Tamin'ny alalan'ilay sehatra, tantara mahatsikaiky vitsivitsy sahady no efa niseho masoandro.

Mbola miandry Governemanta Vaovao i Aostralia

  07 Septambra 2010

Herinandro taorian'ny fifidianana, dia mbola miandry ny fijoroan'ny Governemanta vaovao i Aostralia. Samy tsy nisy nahazo ny ampahan'isa be indrindra amin'ireo seza 150 ao amin'ny Antenimiera avokoa ny antoko tsirairay. Sempotra manombatombana, tsy ny mety ho valim-pifidianana ihany, fa ny antony "nampihantona" ity Antenimiera ity ireo mpitoraka bilaogy.