Tantara mikasika ny Fifidianana tamin'ny Febroary, 2015
Nodidiana Hisazy 2 Taona An-tranomaizina Noho Ny “Faniratsiràna Mpitondra” Ny Lehiben'ny Mpanohitra ao Koety
Nosazian'i Koety higadra 2 taona an-tranomaizina ny lehiben'ny mpanohitra politika, Mussallam Al Barrak noho ny filazany tamin'ny mpitondra ny firenena fa tsy avelan'ny vahoaka hampihatra ny "fitondrana tsi-refesi-mandidy" [ny mpitondra].
Famoriam-bahoaka Ankaterena Tamin'ny Fampilezan-kevitra Alohan'ny Fotoana Notontosain'ny Antokon'ny Fitondrana Tajika
Tamin'ny 22 Febroary - andro tsy fiasana tao amin'ny firenena - noterena namonjy valan-javaboahary iray ao an-toerana ao Dushanbe tamin'ny 8 ora maraina ireo mpiasam-panjakana, mpianatra ary ny mpianatry ny oniversite araka ny tati-baovao.
‘Mpaminany Farany’ ao Tajikistan Miatrika Fanagadrana noho ny Fangoronan-Tany sy Fakana Vady Maro
Vady fito, zanaka roapolo ary mpanara-dia am-polony: nilaza ho Irak'Andriamanitra ny Sheikh Temur, saingy lasa aloha noho izay noeritreretiny ny Androm-Pitsarana azy.
Mpanao Hatsikana ao Espaina Miatrika Fiampiangana Ho “Manandratra” Fampihorohoroana
Ny ampitson'ny fanafihana ny gazetiboky mpanesoeso Charlie Hebdo tao Frantsa, nampiantso ilay mpanesoeso Facu Díaz ny fitsarana Espaniola mba hanadihady azy momba ny tantara mananihany navoakany tamin'ny fampisehoana tamin'ny fahitalavitra antseraserany.
Nikatso ny Aterineto Tao RDC Nandritra ny Fihetsiketseha-Panoherana an'i Kabila, 36 no Maty
Nahery vaika ny fifandonana teo amin'ny polisy sy ny mpanao fihetsiketsehana manohitra ny fanitsiana ny lalam-pifidianana nataon'i Kabila izay niafara tamin'ny fahafatesan'olona 36 tao amin'ny Repoblika Demaokratikan'i Kongo tao anatin'izay andro vitsivitsy izay.
Miaraka Amin'ireo Rà Vaovao Sy Tranainy, Vita Fianianana Ny Parlemanta Vaovao Okrainiana
Miatrika lalao politika avo lenta sy ny fanaraha-mason'ny vahoaka avy hatrany ireo vondronà solombavam-bahoaka maromaro ao amin'ny Rada Okrainiana vaovao vantany vao tafapetraka .