Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Septambra, 2014

Tantara mikasika ny Fifidianana tamin'ny Septambra, 2014

30 Septambra 2014

Elo Maroloko No Nandravahan'ireo Mpanao Fihetsiketsehana Manohana Ny Demaokrasia Ny Tao Afovoan'i Hong Kong

Azo ampiasaina ho fitaovana hitolomana ho amin'ny demaokrasia ve ny elo? Eny indrindra. Ao Hong Kong, mitaky fifidianana madio demaokratika ireo mpanao fihetsiketsehana milamina mampiasa elo mba hiarovan'izy ireo tena amin'ny tifitra sakay sy ny baomba mandatsa-dranomaso; ary mba tsy ho lena rehefa mitifitra tafondron-drano ny polisy.

Ambaran'ireo Mpampiasa Twitter Ao Indonezia Ny Fahafatesan'ny Demokrasia Raha Ny Mpanao Lalàna Kosa Manilika Ny Fifidianana

Nalaza tao amin'ny Twitter ny tenifototra #RIPDemokrasi (mandria am-piadanana ry demôkrasia) sy ny #ShameOnYouSBY (henatra ho anao ry SBY) raha naneho ny hasosorany tamin'ny fandaniana lalàna sy ny tsy fankasitrahany ilay filoha teo aloha, SBY, ry zareo Indoneziana.

05 Septambra 2014

Mpanao Fihetsiketsehana Any Pakistana: Miala Ny Praiminisitra Vao Miala Izy Ireo

Lasa niova ho sehatra fiadiana i Islamabad, renivohitr'i Pakistana, taorian'ny nampiasain'ireo mpitandro filaminana entona mandatsa-dranomaso sy bala tena izy, hanoherana ireo vahoaka maro mpanao fihetsiketsehana manohitra ny governemanta nanandrana haka tampoka ny sekretariàn'ny Praiminisitra.

04 Septambra 2014

Havela Hifidy i Hong Kong — Raha Voasivana Ireo Kandidà

"Manainga ireo olom-pirenena ao Hong Kong rehetra izahay, mba hitsangana ary hiteny. Tsy midika akory hoe tsy misy isika raha tsy mihaino antsika izy ireo."

02 Septambra 2014

“Cool” Ry Mpifanandrina o! Hoy Ireo Mpanao “Ice Bucket Challenge” Ao Afghanistan

Nisy vondrona facebook misokatra hoan'ny rehetra antsoina hoe "Be Cool" (Mba mahafinaritra - Milamina) namoaka lahatsary tamin'ny 30 Aogositra ahitana Afghàna roa nahavita ilay hetsika malaza amin'izao fotoana izao antsoina hoe ice-bucket challenge ho fitadiavana filaminana politika. Izay no hanasan'izy ireo ny mpifaninana roalahy mba hanaiky izay ho valim-pifidianana hivoaka