
Pikantsarin'ny adihevitra fifidianana filoham-pirenena tamin'ny fahitalavitra. Pikantsary: Lahatsary YouTube an'ny Netmediatama. Fampiasana ara-drariny
Misy Indoneziana 106 tapitrisa eo anelanelan'ny 17 sy 40 taona, izay misolo tena ny 52 isanjaton'ny mpifidy ao amin'ny firenena. Zava-dehibe noho izany ny fanohanan’ny tanora mpifidy ho an’ireo kandidà hifaninana amin’ny fifidianana ankapobeny amin’ny 14 febroary.
Maro tokoa ireo kandidà niezaka nisarika ny safidin'ny tanora nandritra ny vanim-potoanan'ny fampielezan-kevitra tamin'ny alalan'ny fampiasana am-pahavitrihana ireo sehatra media sosialy hifaneraserana amin'ireo tanora mpisera aterineto. Nampiasa ny lohahevitra kolontsaina pop Koreana mihitsy aza ny sasany tamin'ny fitaovana fampielezan-keviny mba hanatratrarana ireo Indoneziana mpankafy K-pop.
HAMAKY BEBE KOKOA: Topimaso momba ny fifidianana, kandidà, antoko ary ireo olana lehibe
Nanamarika ny anjara asa sy ny fahafahan'ny tanora mivoatra amin'ny fanapahan-kevitra amin'ny voka-pifidianana i Justin Wejak, mpampianatra ao amin'ny Asia Institute ao amin'ny Oniversiten'i Melbourne.
With an acute sense of social awareness — and a level of internet-enabled connectivity that their predcessors lacked — the current generation of young are well placed to play a pivotal role in influencing political discourse, challenging the status quo, and ultimately, shaping the outcome of future elections.
Amin'ny fahatsapana fahatsiarovan-tena lalina ara-tsosialy – sy ny fahaizana mifandray amin'ny aterineto izay tsy ampy tamin'ireo teo alohany – tsara toerana ny taranaka tanora amin'izao fotoana izao amin'ny fampitodihana ny lahateny ara-politika, mihaika ny tsi-fiovan-javatra, ary amin'ny farany, mamolavola ny voka-pifidianana ho avy.
Saingy nanasongadina ireo olana lehibe atrehin'ny tanora izay manakana azy ireo tsy hahatsapa ny fahafahany mivoatra amin'ny maha mpitarika fiovana lehibe ao amin'ny firenena i Petir Garda Bhwana, tonian-dahatsoratry ny tranokalam-baovao Tempo.
Contrary to the image of youth as the agents of change, the day-to-day reality is that many are forced into precarious working and living conditions, which are further intensified in crisis situations, such as the pandemic. Underprivileged youth with limited social capital fare even worse.
The political system offers little chance for young people to remedy their discontent. As institutions of democracy have continued to be marginalised, young people's political agency has been undermined.
Mifanohitra amin'ny endrik'ireo tanora amin'ny maha mpitondra fanovana azy ireo, ny zava-misy andavanandro dia maro no voatery miditra amin'ny asa sy fiainana tsizarizary, izay vao mainka mihamafy noho ny krizy, tahaka izany ny valan'aretina. Mbola ratsy kokoa aza ny mahazo ireo tanora sahirana manana renivola ara-tsosialy voafetra.
Zara raha manome fahafahana bitika ho an'ny tanora hamahana ny tsy fahafaham-pon'izy ireo ny rafitra politika. Satria mitohy ny fanilikilihana ny andrim-panjakana demaokratika, voatohintohina ny sampana ara-politikan’ny tanora.
Nandritra ny fanentanam-pifidianana, nizara ny fomba fijeriny tamin'ny antsafan'ny fampitam-baovao maro sy hetsika ankalamanjàna ireo tanora mpifidy.
Bobby Hidayat, 22 taona, nilaza tamin'ny Channel News Asia momba ny fahasarotan'ny fisafidianana izay hofidiana ho filoha.
They all have their flaws. They all have their strengths and weaknesses. It’s hard and I need to decide carefully because we are all choosing who will lead this country for the next five years.
Samy manana ny kilemany izy rehetra. Samy manana ny tanjany sy ny fahalemeny izy ireo. Sarotra ary mila manapa-kevitra tsara aho satria misafidy izay hitondra ity firenena ity mandritra ny dimy taona hoavy isika rehetra.
Nanampy izy fa manangona vaovao bebe kokoa momba ireo kandidà fa tsy miantehitra amin'ny safidin'ireo olona akaiky azy.
I tried to be rational and not pick a candidate just because my family said so or because my friends are all supporting this candidate or that candidate. I tried to get as much information as I can about each candidate and pick which one feels right for me.
Niezaka aho mba ho mari-pototra (ara-pisainana) fa tsy mifidy kandida fotsiny satria hoe niteny izany ny fianakaviako na ny namako samy manohana an’io kandida io na izany kandida izany. Niezaka naka torohay betsaka araka izay tratrako momba ny kandidà tsirairay aho ary mifidy izay hitako fa mety amiko.
Nandritra ny fifanakalozan-kevitra tao amin'ny Oniversite Gadjah Mada, naneho ny ahiahiny i Linda Kristiani Sianturi, mpianatra lalàna fa ny ankamaroan'ny fampahalalam-baovao dia mifantoka amin'ireo kandidà ho filoham-pirenena fa tsy amin'ny fifidianana solombavambahoaka.
For the legislative election, student interest tends to wane. The spotlight is more on the presidential race. Yet, the role of legislative members is pivotal in shaping policies that directly affect the populace, such as crafting laws and overseeing the government, including tax.
Miha-mihena ny fahalianan'ny mpianatra ny fifidianana solombavambahoaka. Miompana kokoa amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny maso. Na izany aza, ny andraikitry ny mpikambana mpanao lalàna dia manan-danja amin'ny famolavolana politika izay misy fiantraikany mivantana amin'ny vahoaka, toy ny famolavolana lalàna sy ny fanarahamaso ny governemanta, anisan'izany ny hetra.
Nandritra io hetsika io ihany, Laksito Lintang, mpianatra filozofia 22 taona, manana soso-kevitra momba ny fanabeazana sy ny asa.
As a student, I suggest implementing free education programs and facilitating job access for graduates with active organizational experience or internships.
Amin'ny maha-mpianatra ahy dia manoro hevitra ny hampiharana fandaharam-pampianarana maimaim-poana aho ary manamora ny fahazoana asa ho an'ireo nahazo diplaoma manana traikefa momba ny fandaminana mavitrika na fizàran'asa (stage).
Rayhan, 24 taona, tompona orinasa madinika sady tanora mpikatroka, nilaza tamin'ny Jakarta Globe momba ny tokony hamahàn'ny kandidà ny olana ara-toekarena sy ny fanjakana tan-dalàna.
It is very difficult to own a house as a young person. I'm also looking for someone who prioritizes infrastructure and makes it easier to own a home…and ultimately I want someone who can solve the human rights issues in Indonesia, particularly around police brutality.
Tena sarotra ny manana trano amin'ny maha-tanora. Mitady olona mametraka laharam-pahamehana ny fotodrafitrasa sy manamora ny fananana trano aho…ary farany dia mila olona afaka mamaha ny olan'ny zon'olombelona eto Indonezia aho, indrindra fa ny herisetra ataon'ny polisy.
Nihantsy ireo kandidà i Ginanjar Ariyasuta, 24 taona mpiaro ny tontolo iainana avy amin'ny vondrona vondrona 350 fanentanana momba ny toetrandro, mba hanao laharam-pahamehana ny angovo azo havaozina.
All (candidates) still have plans to develop the mineral processing industry and rely on coal and fossil fuels. The young generation is the one who are most affected by the climate crisis, with their future at stake. We must do energy transition now.
Mbola manana fikasana hampandroso ny indostrian'ny fanodinana akora mineraly sy hiantehitra amin'ny saribao sy ny solika fôsily ny (kandidà) rehetra. Ny taranaka tanora no tena iharan’ny krizy amin’ny toetr’andro, ka atahorana ny hoaviny. Tsy maintsy miditra amin'ny tetezamitan'angovo isika izao.
Nanentana ny tanora mpifidy mba ho lasa tompon'andraikitra amin'ny fifidianana i Titi Anggraini ao amin'ny Fikambanan'ny Fifidianana sy ny Demaokrasia (Perludem) ho fampihenana ny tranganà hosoka amin'ny fifidianana toy ny fanao amin'ny fividianana sy fivarotana vato ary ny fanovana ny voka-pifidianana eny anivon'ny distrika.
I believe that college students have sufficient integrity to be involved in collecting public votes and maintaining the clarity of voters’ votes to prevent them from being cheated by manipulative practices.
Mino aho fa manana fahamendrehana ampy ny mpianatry ny oniversite mba handray anjara amin'ny fanangonana ny vatom-bahoaka sy ny fitazonana ny fahamarinan'ny vatom-pifidianana mba hisorohana azy ireo tsy ho voafitaka amin'ny fomba fanodikodinana.
Nanangana hetsika natao hanomezam-baovao sy fanabeazana ho an'ny mpifidy ihany koa ny tanora Indoneziana. Ohatra iray ny Bijak Memilih, sehatra ahafahan'ny mpisera aterineto mahita torohay (fampahalalana) azo antoka momba ireo fandaharan'asan'ny antoko politika sy ny fomba fijery momba ireo olana lehibe mahazo ny vahoaka. Nanamarika tao amin'ny lahateny TEDx iray i Andhyta “Afu” Firselly Utami, mpahay toekarena teo aloha momba ny tontolo iainana, izay niara-nanangana ny Bijak Memilih, ny maha-zava-dehibe ny fanabeazana ny mpifidy. Famintinana ny lahateniny:
Afu believes that current political discussions only focuses on charismatic leaders rather than issues, policies, and ideas. Through this talk, Afu shares her own journey in breaking the apathy in political practices where she further encourages young voters to choose wisely in the next election.
Mihevitra i Afu fa tsy mifantoka afa-tsy amin'ny mpitondra karismatika ny resaka politika ankehitriny fa tsy mba amin'ny lohahevitra, politika ary hevitra. Amin'ny alalan'ity lahateny ity, mizara ny diany manokana amin'ny famongorana ny fahakamoana ao amin'ny fanao ara-politika i Afu ka mandrisika bebe kokoa ireo tanora mpifidy mba hifidy amim-pahendrena amin'ny fifidianana manaraka.