Shina: Tondra-dranom-pahavaratra Tantarain'ny Bilaogy

(Fanamarihana: lahatsoratra efa nivoaka tamin'ny volana Jolay 2007 ity adika eto ity)

Olona 67.000 mahery no nafindra tao Anhui, 37 hafa namoy ny ainy tao sy tao akaikin'i Chongqing, nandritra ny herinandro lasa teo fotsiny izany.

Tsy tahaka ny filazana teo aloha teto, sahirana tsy tahaka ny tamin'ny Nüwa ireo bilaogera tamin'ny fitateram-baovaon'izy ireo momba ny tondradrano nahafatesana olona izay nandrava faritra maro tao Shina nandritra ny vanim-potoanan'ny orana tamin'ity fahavaratra ity.

Azo jerena ao amin'ny tranonkala mivantana Moobol ny tatitra telo tahaka izany, voalohany tamin'ny 7 Jolay tao an-tanànan'i Guang'an, manamorona ny Renirano Qujiang ao amin'ny faritany Sichuan, izay mitohy mandifotra ny tanàna ny tondra-drano:

7月3日至6日,广安市各地连续遭受暴雨袭击,广安、岳池、武胜降雨量均超过200毫米,其中广安区达347.2毫米,同时受渠江上游巴河、州河、仪陇河流域普降暴雨的影响,从7月6日开始,渠江广安段暴发特大洪涝灾害,7日凌晨出现洪峰,广安城区水位达235.79米,上涨23.42米,超警戒水位 7.6米。汹涌的洪水淹没了沿岸不少城镇、乡村,其中广安区主城区全部被洪水包围,截止当日下午6时,洪水仅下降0.5米。由于防洪措施到位,被洪水围困的辖区无人员伤亡。

Ny 3 hatramin'ny 6 Jolay, niharan'ny orambe tsy mitsahatra ireo faritra rehetra manerana ny tanànan'i Guang’an: Nanorana 200 mm mahery ny tao Guang’an, Yuechi sy Wusheng, nanorana 347,2 mm indray tao Guang’an, tamin'ny fotoana niakaran'ny renirano noho ny orambe fanindroany tao amin'ny lemak'i Bahe, Zhouhe sy Yilong. Tamin'ny 6 Jolay, namely ny faritra Qujiang Guang’an ny tondra-drano lehibe mahatsiravina ary ny marainan'ny 7 Jolay, nahatratra ny fara-tampony ny tondra-drano. Nahatratra 235,79 metatra ny rano tao amin'ny faritry ny tanàna Guang’an, fiakarana 23,42 metatra, izany hoe 7,6 metatra avo noho ny haavon'ny fampitandremana. Namely ireo faritra midadasika ao an-tanàna amoron-drenirano, ny tanàna manodidina sy ny tanàna kely ny tondra-drano goavana, nahatonga ny tanànan'i Guang’an ho nosy afovoany voahodidin'ny rano tanteraka. Lehibe ny fitoniana raha vao nihena atsasa-metatra monja tamin'ny enina ora hariva ny haavon'ny rano. Satria nahomby ny fiarovana fanoherana tondradrano, tsy nisy ny aina nafoy sy naratra tao amin'ireo faritra niharan'ny tondra-drano.

Telo tamin'ireo sary maromaro nalain'ilay mpisera Moobol, 123:

sichuan1.JPG

sichuan2.jpg

sichuan3.jpg

Tatitra roa hafa tamin'ity herinandro ity ihany koa no azo jerena, ny iray tao Chongqing avy amin'ilay mpisera Moobol,  Zhong Guilin, nanoratra izy fa nanomboka ny alin'ny 19 Jolay hatramin'ny marainan'ny 20 Jolay, niakatra teo amin'ny telo metatra izay mitotaly 188,31 metatra ny rano tao amin'ny Renirano Jialing, ary iray amin'ireo sary nalain'i Zhong Guilin tao Chaotianmen ity, izay olona teo amin'ny arivo no nitangorona hijery ny fandalovan'ny tondra-drano.

chongqing.jpg

Tamin'ny 20 Jolay ihany, sary maromaro nalain'i Liu Junfeng of no ahitana rano 42,369 metatra toratelo isan-tsengotra miboiboika avy ao amin'ny tohodrano Gezhouba, voalohany amin'ireo Gorges Telo, izay mandalo ao amin'ny faritany Hubei ny Renirano Yangtze:

floodgates.JPG

floodgates2.JPG

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.