Manokatra fahitalavitra ara-Aterineto natokana hitaterana ny vaovaon'ireo olontsotra mampita vaovao ny vohikala YouTube

Nihatsotra ny fahazoana tombom-potoana hanapariahana ireo vaovaon'ireo olontsotra mampita vaovao : ny vohikala mpampariaka lahatsary eto amin'ny Aterineto YouTube dia nanokatra fantsona fahitalavitra ara-Aterineto natokana hitaterana azy ireny, ary nampitondrainy ny anarana hoe CitizenNews [vaovaon'ny olontsotra]. Ireo Vlogger [video+blogger mpiblaogy amin'ny alalan'ny lahatsary] dia afaka misoratra anarana ary mampariaka ho hitan'izao tontolo izao izay vaovao farany niseho tany amin'ny faritra misy azy.

Hitanareo eto ambany manaraka eto ny fanasana napariaky ny vohikala YouTube sy ny fampidirana nataon'i Olivia izay tompon'andraikitra mivantana ny CitizenNews :

 

Iray amin'ireo lahatsary izay apariaky ry zareo ity izay nalaina sy narindran'i Miyong G. Kuon avy any amin'ny faritra Atsimon'i Sodana, tateriny amin'izany ny toe-javatra iainanan'ny mponina any amin'ny toby izay itobianan'ireo tsy manak'ialofana, mety hafana hivaivay ny andro, na koa tondraka rehefa be loatra ny orana izay milatsaka :

 

Mamela ahy hamboraka aminareo fa efa manana izay fantsona fanapariahana lahatsary manokana ao amin'ny vohikala Youtube isika Global Voices, ny ankamaroan'ireo lahatsary izay nandravaka ireo lahatsoratro sady napetrako tany dia efa nofidian'ny maro an'isa sahady ho toy ny ankafiziny sady nisoratan'ny mpandrindra maro anarana, misy amin'izy ireny aza tsy lahatsary ampy hanoratana lahatsoratra akory anefa dia mbola heverin'ny sasany ho tsara sy ampy hahaliana ihany.

Raha misy lahatsary tianareo hapariaka amin'ny alalan'izany fomba izany, aza misalasala ny manoratra aty amiko amin'ny alalan'ny imailaka (vangio ny pejy mitondra ny anarako amin'ny maha-mpanoratra ahy) na mamelà hafatra manazava fohy izay iheveranao ny maha-zava-dehibe ny anapariahana izany lahatsary izany, izaho kosa hiezaka ny hanome fahafaham-po izay hetahetanareo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.