Tantara tamin'ny Akon'ny RuNet tamin'ny Oktobra, 2016
Tantara Ratsy Iray Hafa An'ny Fiangonana Ortodoksa ao Rosia, Mpitondra Fivavahana Iray Hita Niravaka Rolex $40K
Manana tantara ratsy iray hafa atrehiny indray ny Eglizy Ortodoksa Rosiana, na ny marimarina kokoa momba ny hato-tanan'ny iray amin'ireo mpitondra fivavahana ambony ao St. Petersburg
Sarin'ireo Mpisera Instagram Mampiseho Ny Zavon-tsetroka Mandrakotra an'i Khabarovsk
Nihidy tao an-trano na nanao saron-tava ny mponin'i Khabarovsk ao amin'ny Farany Atsinanana ao Rosia rehefa mivoaka ny trano satria nandrakotra ny tanàna ny zavon-tsetroka tamin'ny Talata.
Manana Anarana Mahatsikaiky Ny Sarim-Biby Famantarana Ny Mondialy 2018 Ao Rosia Ary Tsy Azonao Akory Aza Izany
Aloha loatra ny famantarana raha ho masoivoho tsara/iraka mahomby ho an'i Rosia na ho ilay fifaninanana baolina kitra lehibe indrindra eto amin'izao tontolo izao ity biby ity, saingy tsara ny milaza fa lasa nalaza be vetivety teo i Zabivaka.
Tanàna Rosiana Manapaka ny Solika ho an'ilay Lelafo Mirehitra Mandrakizain'ny Ady Lehibe Faharoa Mba Tsy Hahandro amin'io Ny Eo An-toerana
Tsy mirehitra ny Lelafo mirehitra mandrakizay ao Taganrog androany, ary miteny ny manampahefana iray avy amin'ny orinasan-tsolika eo an-toerana fa izany dia noho ny tsy fahafahany manome antoka fa tsy hitono saosisy eo ambonin'ny afo ny olona eo an-toerana.
Voalaza Fa Noraràn'i Rosia ny Linkedin
Atahorana ho voaràra ao Rosia ny LinkedIn, tambajotra arak'asa antserasera lehibe indrindra manerantany, satria naharesy lahatra ny fitsarana Moskoa mba handràra ny tambajotra ireo mpanao sivana federaly.
Navoakan'ny Mpijirika Ireo Imailaky ny Mpanampy Ao Kremlin, Voalaza Fa Miaty Drafitra Fanakorontanana An'i Okraina
Lazain'ireo Okrainiana mpijirika fa mampiseho drafitra ho fanakorontanana an'i Okraina ato anatin'ny volana vitsy ho avy ny fijirihana ireo imailak'i Vladislav Surkov, mpanolotsaina an'i Putin.
Ny Vaovao Asongadin'ny Sampam-baovao Voasoratra Anarana Ara-panjakana Ihany Sisa No Havoakan'ilay Milim-pikarohana Rosiana Ho Lohalaharana
Niharan'ny teritery ny Yandex fa tsy maintsy misoratra anarana any amin'ny Roskomnadzor, sampam-baovaom-panjakana izay mifehy ny fampahalalam-baovao Rosiana.
Tonga Ao Tsetsenia Ny Haiady MMA, Ary Tompondaka Sahady Ny Zanaky ny Mpitondra Ao An-Toerana
Na dia zatra manao dokambarotra ao amin'ny media sosialy aza i Kadyrov dia mbola manao izay hanafintohina ny olona hatrany, raha hita ho mpandray anjara tamin'ny fifaninanana haiady mifangaro notontosaina tao Grozny ny zanany telo mirahalahy.
Inona Avy Ireo Sioka Nalefan'ny Sampam-baovao Lehibe ao Rosia Nandritra Ny Adihevitra Farany Teo amin'ireo Kandida Ho Filoham-pirenena Amerikana?
Fintinin'ny RuNet Echo ireo sioka nalefan'ny sampam-baovaom-panjakana lehibe indrindra ao Rosia mikasika ny adihevitra teo amin'ireo kandida ho filoham-pirenena Amerikana mba hahafantarana izay nanako tao Moskoa.
Ny ‘Mpitsikilom-Bahiny’ Ihany No Mizara Tantaran'ny Fotoana Mahafinaritra Ao Etazonia, Hoy Ny Fitsarana Rosiana
Nanatevin-daharana ny lisitr'ireo fikambanana 146 notondroin'ny Minisitry ny Fitsarana toy ny "mpiasam-bahiny" ny Klioban'ny Maintimolaly Amerikana. Ny heloky ny fikambanana? Nampita lahatsoratra indray tao amin'ny media sosialy.