Tantara tamin'ny Akon'ny RuNet tamin'ny Mey, 2018
Nogadraina ireo mpikatroka Rosiana manohitra ny kolikoly noho ny “fitarihana fitroarana” tamin'ny alalan'ny siokan'izy ireo

Nampiasain'ny manampahefana ho porofon'ny fitarihana korontana faobe ny sioka, ary indraindray ny "retweets" tamin'ny votoaty hafa an'ireo mpikatroka manohitra ny kolikoly izay nanao fihetsiketsehana hanoherana ny fanokanana fahefatra an'i Vladimir Putin ho filoha .
Mivembena ny ezaka ataon'ny governemantan'i Rosia handrara ny Telegram, sangisangian'ny mpikatroka nomerika ny sampana mpanao sivana

Anaovan'ireo Rosiana fanalan'andro ny fandanian'ny sampan-draharahan'ny sivana rehefa miezaka mandrara ny fampitan-kafatra ankamamiany ilay sampan-draharaha.
Nolazain'ireo mpikatroka ao Moskoa fa notapahin'ny orinasam-pifandraisandavitra, araka ny baikon'ny polisy, nandritra ny hetsi-panoherana ny tambajotram-pinday
Efa fahita hatrizay ny fahatapatapahan'ny tambajotra rehefa misy hetsi-bahoaka ao Rosia, kanefa nilaza ireo mpikatroka ankehitriny fa ninia nanaratsy ny kalitaon'ny tolotra noho ny baikon'ny polisy ny orinasan'ny fifandraisandavitra.