Tantara tamin'ny Akon'ny RuNet tamin'ny Mey, 2011
Rosia: Miady Hevitra Momba ny Teknolojia sy ny Mangarahara ireo Mpitoraka Blaogin'ny Governemanta ao amin'ny Aterineto (Video)
Yekaterina Aksyonova, mpamorona ny gov-gov.ru, iray amin'ireo blaogy mpanome vaovao lehibe indrindra momba ny governemanta amin'ny aterineto any Rosia, dia nihaona vao haingana tamin'ny Global Voices tao amin'ny BarCamp an'i Azia afovoany, ary namaly fanontaniana maromaro momba ny anjara asan'ny teknolojia sy ny fangaraharàna.