Tantara tamin'ny Akon'ny RuNet tamin'ny Novambra, 2014
Voafehin'i Kremlin Raha Propagandy, Fa Tsy Ny Photoshop: Fihomehezan'ny RuNet Manoloana ny Sary Hosoka MH17
Niteraka vazivazy tao amin'ny RuNet ny sary zanabolana vaovao voalaza fa mampiseho porofo mivaingana fa tompon'andraikitra tamin'ny fianjeran'ny sidina MH17 Malaysia Airlines i Okraina.
Sazian'ny Governemanta Rosiana Ny Vondrona Mpanohana Ny LGBT Noho Ny Filazan'izy ireo Fa Mahery Fo Ny Tanora Pelaka
Toa milaza amin'ireo ankizy LGBT ny governemanta Rosiana fa mampidi-doza ny hafa izy ireo; ary mila ny fanarahamason'ireo mpitsabo izy ireo
Rosia : Nanampy Tamin'ny Fangalarana Vola 5 Lavitrisa Dolara Amerikana i Alexander Belov, Hoy Ny Polisy, Nefa Mbola Tian'ireo Mpanohitra Havotana Ihany
Navaivay tamin'ity herinandro ity ny ahiahy mikasaika ny fiarovana ara-batana an'i Belov any amin'ny fitazonana vonjimaika, taorian'ny nanoratan'ny rahalahiny, Vladimir Basmanov, tao amin'ny LiveJournal mikasika ny tetikasan'ny Sampam-piarovana Federaly (FSB) ny hampijaly an'i Belov any am-ponja
Hitan'ny Mpikatroka ny Mahareniranontay Ny Reniranon'i St. Petersburg
Tamin'ny fikarohana nomen'izy ireo anarana hoe “Zotran-Diky", dia nametraka fitaovana - famantarana GPS sivy nohakelezina sy tsy mety lena ao anaty tranom-pivoahana tamin'ny fonenana iray ireo mpikatroka ary nanomboka nandrakitra an-tsarintany ny marika napetraky ny fitaovana.
Mety Ho Lalana Iray Hanasemporana Ireo Media Tsy Miankina Ny Fanamboarana Aterineto Haingam-pandeha Any Rosia

Ao Rosia, izay ahitàna fihenana haingana ho an'ny anjaran-toerana amin'ny sehatry ny Aterineto an'ireo media tsy miankina, loza iray lehibe mananontanona ny vinavina hisian'ny fahataperan'ny tsy fiandaniana sy ny fanivànana ny votoaty amin'ny Aterineto.
Boky Iray Vaovao Okrainiana Mitantara Ny Euromaidan Aminà Hafatra An-jatony Nalaina Tamin'ny Facebook
Boky iray vaovao, mirafitra manontolo avy amin'ireo hafatra 700 nalaina taty anaty Facebook, mikirakira ireo zava-nitranga tamin'ny hetsi-panoherana Euromaidan araka ny nandraketana sy nilazàn'ireo Okrainina mpampiasa Facebook azy ireny.