Tantara tamin'ny Akon'ny RuNet tamin'ny Aogositra, 2016
Esory Any Ry Marvel Sy DC, Rankizy: Vao Nividy Tantara An-tsary Fitiavan-Tanindrazana Mampihomehy Iray Ho Anareo i Rosia
Ireo "fotokevitra telo lehibe" amin'ilay tantara an-tsary dia ny famoronana ireo safidy hasolo an'ireo mahery fon'ny vahiny, fampitomboana ny fisarihana ireo tanora mba ho lasa mavitrika amin'ny fanatanjahantena, ary hampiakatra ambony ireo fahalalana fototra momba ny raharaha miaramila.
Nahangona Sonia Hatramin'ny 1 Hetsy Ny Fanangonantsonia Amin'ny Tambajotra Manohitra Ireo Lalàna Jadona Fampitsaharana Ny Fampihorohoroana Ao Rosia
Naneho ny firaisankinany tamin'ireo FAI rosiana sy ireo mpanjifa ny tolotra amin'ny finday ireo nanao rangopohy tamin'ny tambajotra, izay nilaza fa ireo lalàna Yarovaya dia sady mamotika ny orinasa mpamokatra aterineto no mamotika ihany koa ireo mpampiasa ny RuNet.
Rosiana Retirety Nonina Tao Anaty Trano Tondra-drano (Rano Mangatsiaka Hatreny Andohalika) Nandritra Ny Dimy Taona
Mainty sy mangatsiaka be ny rano izay efa mila ho tonga eo amin'ny lohalika. Na dia amin'ny andro mafana aza, mbola mangatsiaka be foana ny rano tondraka ao an-tranon'ilay lahy antitra misotro ronono.
Sary Erotika Tamin'ny Gazety Mpanala Baraka Ahitana Vehivavy Kandidà Depiote ao Rosia
Tsy nety naneho hevitra ampahibemaso momba ny sary tafaporitsaka i Baronova, saingy nilaza izy fa ho faly "hiresaka momba ny tratrany" rehefa vita ny fifidianana.
Rehefa Miteny Ny Praiminisitra Hoe Tsy Misy Vola intsony, Aleon'ny Rosiana ihomehezana
Ny fihosenana amin'ireo vahoaka tsotra dia atahorana foana ho an'ireo mpanao politika, ary i Medvedev, izay ny tsy fisian'ny charme no tombony politika lehibe ananany, dia nitantana ny zava-nitranga tamin'ny fombany tsy ampy fitandremana efa mahazatra.
‘Ramatoa Polisy’ Rosiana Iray: Fizaràna Voalohany
Tany ampiadohan'ity volana ity, nanoratra tamin'ny tambajotra Batenka.ru i Borisova mikasika ireo traikefany amin'ny maha-mpitandro filaminana azy. Mizara telo ny famoahanay ny lahatsorany. Ity no fizaràna voalohany.
Astronomia Dia Mety Nahatrarana Ny Laingan'i Rosia Momba Ny Fitsofohana Antsokosokon'i Okraina ao Krimea
Mety ho nandefa ho hitam-bahoaka porofo hosoka navoakan'ny Servisim-Piarovana Federaly (FSB) ny fahitalavi-panjakana rosiana amin'ilay lazaina ho fahitana fanafenam-pitaovam-piadian'ny “saboteurs” (mpanimba).
Sisintany Iraisan'i Krimea Sy Okraina: Notapahan'ny Manampahefana Rosiana Ny Aterineto
“ 'Noho ny antony fiarovana' no nanapahana ny aterineto, Natao io mba hahazoana antoka fa ireo hery manokana sasany... mba tsy hisian'ny mety ho fitsofohana an-tsokosoko... Noho ny resaka fiarovana, nilaina noraisina ireny fepetra ireny, ary takatry ny olona ny antony.”
Ankehitriny, Ampangain'i Maosko i Okraina Hoe Mandefa Mpampihorohoro Ao Krimea. Nolazaina Izany Ireo Mpampiasa Aterineto Rosiana.
Niandry teo amin'ny telo andro teo ireo Rosiana tomponandraikitra vao nampahafantatra ny daholobe momba io tantara io. Nisy tatitra tsy voamarina anefa tany aloha, nahitàna ireo teboka rehetra tamin'ny taratasy fifandraisana navoakan'ny Minisiteran'ny Atitany Rosiana any Krimea.
Ny Antony Itiavan'ireo Rosiana Mpisera Facebook An'i Donald Trump
Maneho ny fomba fijeriny momba an'i Donald Trump ireo Rosiana mpisehatra politika ety anaty media sosialy. Ny ankamaroany, toy ny tena akaiky kokoa an-dralehilahy io ry zareo-- noho ny antony maro samihafa mihitsy.