Tantara tamin'ny Akon'ny RuNet tamin'ny Jona, 2014
Mondialy : Mody Ny Rosiana
Mampionon-tena ho ekipa mampalahelo amin'ny zava-bitany ny Rosiana.
Akanjo Ambony Poutine, Tsy Hay Tohaina Any Rosia
Tamin'ny herinandro lasa teo, mpamokatra lamaody roa, nanokatra toerana kely ao amin'ny toeram-pivarotana iray eo ivelan'ny Toerana Mena, mivarotra akanjo ambony midera an'i Vladimir Poutine. Tao anatin'ny iray andro, nahalafo 5 arivo isa izy ireo.
Però : Andro Fanapahankevitra Nampiatoan'ny Kaongresy Tamin'ny Asany Ireo Mpikambana 2 Mpanao Lalàna
Felaka roa navaivay tao amin'ny kaongresin'i Limà, naato tamin'ny asany hatramin'ny Oktobra ho avy izao i Gagó sy Uribe, mpikambana ao amin'ny kaongresy, taorian'ny tatitra roa samihafa navoakan''ny kaomisionan'ny parlemanta momba ny fomba ratsy voalaza fa fanaon'izy ireo.
Mivazivazy Amin'ny Fivoaran'ny Ekipam-pirenena Eo Amin'ny Fiadiana Ny Amboara Eran-Tany Ny Rosiana
Miresaka ny trangan'ny ekipa Rosiana avokoa ny rehetra, nefa ny tena mampivarahontsana dia ny fivoaran'ny ekipa izay ahitana ny mpilalaon'ny Real Madrid sy Barcelona.
Eoropa : Mampahery Ny Rosiana Ny Fandresen'ny Hery Ankavanana
Raha toa ka mampitaintaina ny sasany ao amin'ny firaisambe Eoropeana io fiovana io, betsaka ny Rosiana no nandray izany samboaravoara ao amin'ny fisarahan'ny Eoropeana izany ho toy ny fanamarinana ny fihetsika manohitra ny Firaisambe Eoropeana ataon'i Maosko.
Nahatsiaro Saina i Schumacher, Mahita Hanihany Atao Ny Twitter Rosiana
Nanomboka ny 29 Desambra 2013 hatramin'ny 16 Jiona 2014, tao anatin'ny tsy fahatsiarovan-tena (coma) ilay mpamily rallye efa misotro-ronono Michael Schumacher. Rehefa nahatsiaro izy ary nandao ny hopitaly, nanararaotra ity tranga ity hamazivaziana ny fanatanjahan-tena sy ny politika ireo mpisera Twitter Rosiana.
I Jen Psaki, Fahavalo Voalohan'ireo Rosiana Mpampiasa Aterineto
Lasa fomba fiteny ho fampiasàna ny zavatra rehetra ny hoe “Psaki”, ho an'ireo Rosiana rehetra tsy tia ny politika ivelany ampiasain'i Etazonia (indrindra fa ny fidirana antsehatry ny Amerikana any Okraina)
Dihy Amin'ny Tsatoby Nandritra Ny Andro Iraisam-pirenena Hoan'ny Ankizy Tao Amin'ny Tanàna Rosiana Iray
Tamin'ny Alahady lasa teo, nankalaza ny faha-277 taona nisiany sy ny Andro Iraisam-pirenena Hoan'ny Ankizy ny tanàna Tolyatti. Niteraka esoeso sy fahatezerana ny fahitana vehivavy nandihy tamin'ny tsatoby tamin'ny fampiratiana fiara.
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...