Tantara tamin'ny Akon'ny RuNet tamin'ny Avrily, 2017
Nilaza Ny Hetsi-panoherana Rosiana Fa Mitohy ny Tolona, na dia eo aza ny Fandraràna Federaly
Na dia noraràn'ny mpampanoa lalàna androany aza, nilaza ny hetsi-panoherana “Rosia Misokatra” fa hanohy ny hetsika rehetra, anisan'izany ny drafitra fihetsiketsehana manohitra an'i Potinina manerana ny firenena androany Asabotsy.
Ahoana ny Nandaozan'i Alexey Navalny ny Nasionalisma Rosiana
Tsy maintsy niova i Alexey Navalny hiandraiketany ny Rosiana mpanohitra, saingy mety mitsahatra amin'ny kabary fandrendreham-bahoaka ifanoherany amin'i Vladimir Potinina izy eny an-dalana.
Te Hiditra Mora Foana Amin'ny Tahirin'ny Fihaonan'Olon-droa Antserasera Ny Manampahefana Rosiana

Manantena hahita fitiavana ao Rosia ve ianao? Raha eny, ary mikasa hampiasa aterineto mba hihaonana amin'ny olona ve ianao, tsy dia an-takonana araka ny antenainao angamba ny tohiny.
Hisafidy Poizina? Ny Ortodoksia Rosiana sa ny Fandraràna Tsy Hampiasa Media Sosialy ?

Ireo mpanakiana an'i Vitaly Milonov, angamba ny faran'izay fatra-pifikitra amin'ny nentin-drazana mora tohina indrindra ao amin'ny Parlemanta Rosiana, dia nivoady ny hanao izay handraràna azy tsy hampiasa media sosialy ao amin'ny VKontakte, ilay tambajotra sosialy malaza indrindra ao Rosia, izay amoahany "fomba fiteny voarara" ao amin'ny mombamomba azy ety anaty aterineto
Fantaro Ilay Mpikatroka Miezaka ny Hitondra An-tserasera ny Tanànakelin'i Okraina Iray
"Tsy tena tiako loatra i Eoropa. Ao Eoropa, efa vita avokoa ny 99 isanjaton'ny zava-drehetra ; eto, mbola misy ny asa tokony vitaina."
Lazain'ireo Rosiana Mpanao Gazety Fa Halatra Ny Iray Amin'ireo Tantaran'ny NYT Nahazo Loka Pulitzer
Ny News York Times no nahazo ny loka Pulitzer tamin'ny taona 2017 tao anatin'ny sokajy tatitra iraisam-pirenena noho ny lahatsoratra folo momba an'i Rosia. Nilaza ny vohikala Rosiana Meduza fa halatra ny iray tamin'ireo tantara ireo.
Tahaka Izao Ny ‘Solomaso Mpanavakava-bolonkoditra” Raha Atao ao Rosia
Navoakan'ilay Rosiana Alexey Yurevich mpanao sarimiaina ny voatra nalainy avy amin'ny sarimiaina malazan'i Rudy Mancuso tamin'ny taona 2016, mitondra ny lohateny hoe “Solomasom-panavakava-bolonkoditra,” amin'ny fampiasana toerana mitovy fa amin'ny fijery rosiana ihany.
RuPaul Ao Amin'ny RuNet : Tonga Any Rosia Noho Ny Fandikànteny An-tsitrapon'ireo Mpisera Amin'ny Aterineto Ny ‘Drag Race’
Mahavalalanina, manan-talenta, pelaka sady voadika amin'ny fiteny rosiana : fihaonana amin'ireo mpandika teny izay mitondra ny fandaharana 'RuPaul's Drag Race' ho an'ny aterineto miteny rosiana.
‘Zelyonka:’ Ny Famonoana Otrikaretina Manohitra An'i Putin
"Nanjary loko tsy ofisialin'ny hetsiky ny mpanohitra any Rosia ny "Maitso mangirana".
Ilay Andro Nandraràn'i Rosia Ireo Vavolombelon'i Jehovah
Hafahafa be ny mahita azy ity voasoratra, indrindra moa fa ny mahalala hoe tena marina ilay izy, saingy dia io izy io: noraràn'i Rosia tamin'ny fomba ofisialy ireo Vavolombelon'i Jehovah.