Tantara tamin'ny Akon'ny RuNet tamin'ny Jona, 2016
Miboridana Sady Miasa Ireo Belarosiana ( Baikon'ny Filoha)
Nanala ireo akanjony tao amin'ny toeram-piasana ireo mpisera aterineto Belarosiana, rehefa lasa nalaza ny lahatsary misy ny kabarin'i Filoha Lukashenka
Mpanao Gazety Rosiana Milaza Amin'ny Lehilahy Iray Hiasa Mafy, Raha Tsy Afaka Mandeha Vakansy
Manana mpanjohy efa ho 13000 i Petr Zamkovoi, kanefa mbola mahita fotoana hampianarana azy momba ny asa mafy sy ny famelomana fianakaviana ihany ilay mpanao gazety Vladimir Soloviev.
Mariky Ny Fanombohan'ny Hazalambo Manaraka Hanjo Ny Media Ao Rosia
Raha mbola mitaingin-tsoavaly hiatrika fanafihana iray hafa hanohitra "ireo mpiasa vahiny" i Maosko, tsy afaka naka fotoana tsara akory i Ilya Ukhov raha fony nilaza fa mahazo famatsiambola miafina avy amin'ny governemanta Amerikàna ny Dozhd.
Ankehitriny , Mampitandrina Ireo Mpamaky Mikasika Ireo Tambajotranà Fahitalavitra Rosiana Ireo Gazety An-tsoratra Rosiana
Nanao valinkafatra fampitandremana ireo mpamakiny ny gazety an-tsoratra ao amin'ireo faritr'i Rosia, lasibatra taminà tatitra fanadihadiana manàla baràka tao aminà tambajotra fahitalavitra mpanohana ny Kremlin.
Lahatsary Fanadihadiana Avo Lenta Mampiseho An'i Chernobyl Okraniana Novatsiana Vola Feno Tao Amin'ny Kickstarter
Lahatsary fanadihadiana virtoaly mampiseho ny zava-misy ao amin'ny faritra natoka-monina Chernobyl Okraniana tamin'ny fampiasana teknolojian-dahatsary 360 degre.
Mivonòna Hikiakiaka Ao Amin'ny Facebook, Alohan'ny Hanaovana Sonia Ny Tolotra Fifampizaràna Fiara Ao Maosko
Ezahan'ilay tolotra toy ny Zipcar ao Maosko ny mampiseho amin'ny mpanjifa fa mihaino azy ireo izy. Nitranga izany taorian'ny tantara ratsy nivoaka tety anaty aterineto izay toa tsy nahitàna azy ho toy ny tsy mahay mihaino tsara.
Bilaogera Rosiana Nosamborina Rehefa Nanampy Mpanao Gazety Amerikana Nanao Tatitra Resaka Fananana Mifaka Olaimpika Tao Sochi
Nosamborina raha mbola teo amperinasa niaraka tamin'ny ekipa mpilalao sarimihetsika HBO i Aleksandr Valov ,bilaogera sady mpanao gazety Rosiana no tonian-dahatsoratry ny tranonkala BlogSochi
Mandrahona Hitory Tranonkala Fitadiavan'Asa Tsy Mety Namoaka Tolotr'Asa Mitady Mpandihy Ny Klioba Iray Mpanao Striptease
Mandrahona hitory tranonkala mpanome tolotr'asa ny klioba mpandihy sexy Rosiana noho ny fandavan'ny tranonkala tsy hamoaka filazana tolotrasa hitadiavana mpandihy amin'ny fampisehoana ao amin'ny klioba.