Tantara tamin'ny Akon'ny RuNet tamin'ny Desambra, 2017
Ilay Maty Manao Fampielezankevitra : Mpiserasera Efa Maty No Mamoaka Hafatra Mpomba-Putin Ao Amin'ny Tambajotra Sosialy Rosiana Iray
Efa nakatona ny ankamaroan'ireo kaonty Vkontakte anà Rosiana efa maty izay nizara hafatra mpomba-Poutine. Ny mpitantana ny Vkontakte, nantonin'ny mpanao gazety mba haneho hevitra, dia nilaza fa nojirihan'ireo mpijirika tsy fantatra ireny kaonty ireny.
Tsy Tratran'i Rosia Ankehitriny Ny Fanantenana Mananiky Ny Avo Nofongarina Avy Ao Amin'ny Tahirin'ny Fotoana Nalevina Tamin'ny 1967
Tahirin'ny Fotoana tamin'ny taona 1967 -- Ho Fankalazàna ny faha 50 taonan'ny Revolisiona Goavan'ny Oktobra -- Manomboka sokafàna manerana an'i Rosia dimampolo taona aty aoriana. Somary nandiso fanantenana ihany ny rakitra tao anatiny.
Tsy Taitra Amin'ilay Fango Ho An'ny Fifidianana Ho Filoham-pirenena 2018 Ny Rosiana (ary Manana Hevitra Maro ho Fanatsarana)
Hatreto, ny fanamby eo amin'ny resaka fango no isan'ny tena mampientanentana indrindra amin'ity resaka fampielezankevitra azo ambara ho toy ny tsisy ity akory, fotoana iandrandrana an'Ingahy Putin hirotsaka sy haharesy - indray - fa na ireo mpifaninana aminy isan'ny matanjaka indrindra aza.
Tsy Vitan'ny Fanaovana Sary Mahatsikaiky Avy Amin'ny Mpandrindra Atômika Rosianina Ny Namono Ireo Siosionà Poritsaka Nokleary
"Tsy misy manasazy ny Rotenioma, na koa ny Rotenioma-106. Ny Rosatoma no faizin-dry zareo noho ireo vaovao mifanohitra sy noho ireo vazivazy tahaka izao fa tsy manao fanadihadiana matotra momba ilay loza"