Tantara tamin'ny Akon'ny RuNet tamin'ny Jolay, 2010
Rosia: Resahina amin'ny aterineto ny tetikasa momba ny lalam-pifidianana vaovao
Tamin'ny volana lasa, ny fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana Rosiana, mpanara-maso fifidianana,"Golos" (A Voice) dia namoaka [RUS] safidy iray amin'ny ho lalam-pifidianana tamin'ny aterineto , izay heverina hitondra mankamin'ny fifidianana malalaka, marina, ary mangaraharaha any Rosia. Iray amin'ireo ohatra vitsivitsy vaovao amin'ireo vakiraoka-na volavolan-dalàna navoitra ampahibemaso tamin'ny aterineto ity .
Rosia: Vaovao, “Lalànan'ny Iray Andro”, fangatahana hanivana ireo fanehoan-kevitra
Alexey Sidorenko dia mandinika ilay fepetra vaovao noraisin'ireo manampahefana Rosiana, manafoana ireo fanehoan-kevitra amin'ireo vohikalan'ny haino aman-jery mpampita vaovao. Na dia tsy mivantana sy tsy dia mandaitra aza izany dia mandrahona ny hametra ireo adihevitra amin'ny aterineto.
Etazonia, Rosia: Miady hevitra momba ny ‘Mpitsikilo 2.0′
Lasa lohahevitra ifotorana amin'ny aterineto Rosiana nandritra ny herinandro ny fisamborana olona 11, izay voalaza fa mpikambana ao amina tambajotrana mpitsikilo Rosiana. Mamintina ny adihevitra tamin'ny aterineto i Alexey Sidorenko.
Ukraine: Fahafatesana mifono zava-miafina tao amin'ny Zoo ao Kiev
Nanintona ny sain'ny media nentin-drazana sy ny fampahalalam-baovao avy amin'lon-tsotra ny Kiev Zoo noho ireo tranga nanaitra niseho tao aminy tato ho ato: nisy biby vitsivitsy maty noho ny antony tsy fantatra tao amin'io Zoo io nandritra ny taona lasa iny.