Tantara tamin'ny Akon'ny RuNet tamin'ny Oktobra, 2016
Nampitandrina Mpanao Gazety sy Mpikatroka Rosiana Am-polony Ny Google Manoloana Ireo Mpijirika Tohanan'ny Fanjakana

Ampolony mahery ireo mpanao gazety sy mpikatroka Rosiana nahazo fampitandremana hafahafa avy amin'ny Google androany vao maraina, mampahafantatra azy ireo fa "ny mpanafika tohanan'ny governemanta" dia mety "hiezaka hangalatra" ny tenimiafin'izy ireo.
Bera Mibonoka Sy Ny Fifanarahana Mamanàlan'ireo Andaniny Roa: ny Fifandraisana Vaovao Amerikàna-Rosiana
Mametraka ny feo ho an'ireo fifandraisana mampidi-doza eo amin'i Rosia sy Etazonia ireo ohabolana Phony sy ny fiakaran'ny feon-tsabatra.
Folo Taona Izay, Fa Mbola Tsaroan'i Rosia Hatrany I Anna Politkovskaya, Mpanao Gazety Nisy Namono
Ny 7 Oktobra, tsaroan'ireo Rosiana i Anna Politkovskaya, iray amin'ireo mpanao gazety sangany amin'ny resaka fanadihadiana, maty nisy nitifitra tao anaty fanakadrihan'ny tranony, folo taona lasa izay.
Rosiana Mpanao Politika Maniry Hanenjika Mpanao Gazety Namoaka Lahatsary Ahitàna Azy Manao Dihin'i Ricky Martin
Nametraka fitoriana tany amin'ny polisy ny lehilahy iray mpanolontsain'ny tanàna ao Orlov, nitoriany mpanao gazety nizara ny lahatsary ahitàna azy manao ny dihin'i Ricky Martin “Livin la Vida Loca,”
‘September': Sehatra Vaovao Hivoahan'ny Hevitra Elatra Havia Ara-Politika Manerana Ny Firaisana Sovietika Teo Aloha
"Mbola tsy Oktobra izao kanefa ho avy izany". Izany no teny fanevan'ny "September", tranonkala vaovao iray izay mikendry ho sehatra hamoahana ny fomba fijerin'ny elatra havia manerana ny Firaisana Sovietika teo aloha.
Rehefa Manomboka Miteny Ireo Vahoaka Tsy Manan-kialofana Ao Rosia
Fony i Anastasia Ryabtseva nanandrana voalohany nitafa tamin'ireo olona tsy manana fialofana ao St. Petersburg, marobe no nandà tsy nety hiresaka taminy. Amin'ny maha-mpanao gazety azy, taitra taminy ny olona, izay niahiahy tonga dia fotsiny izao.
Nataon'ny Fahitalavitra Rosiana ho toy ny Vaovao Tena Izy ny Lahatsary Kivazivazy ‘Coca-Cola Separatista’
Nampiasa ny vazivazy fanao nalefa tao amin'ny Youtube ny tambajotra fahitalavitra tao Rosia ary nandefa izany ho toy ny lahatsarin'ny fihenjanana ara-poko tena izy ao Okraina.
Nambaran'i Khodorkovsky ny Fisokafan'ny Tetikasa “Open Media” Ho Fanohanana Ireo Start-up Momba Ny Fanaovan-gazety Fanadihadiana
Hanome 30 tapitrisa robla be izao ho fanohanana ireo start-up momba ny fanaovan-gazety fanadihadiana ny tetikasan'i Mikhail Khodorkovsky "Open Media".
Ny Fomba Nataon'ny ‘Amerikana Iray Mpitsikilo’ Namoahana Ny Mety Ho Hosoka Tamin'ny Fifidianana Rosiana
.Arakaraka ny fomba fandikanao ireo isa, no azo iheverina fa vitan'ny mpanao gazety iray avy amin'ny Reuters ny nampibaribary hoe ahoana marina no tena fandehan'ireo fifidianana tao Rosia tamin'ny Alahady 18 Sept