Inona Avy Ireo Sioka Nalefan'ny Sampam-baovao Lehibe ao Rosia Nandritra Ny Adihevitra Farany Teo amin'ireo Kandida Ho Filoham-pirenena Amerikana?

Pixabay

Pixabay

Ora maro lasa izay, nifarana ny adihevitra fahatelo sady farany nifanaovan'ny kandida ho filoham-pirenena Amerikana, voatonona imbetsaka indray  Rosia sy ny filohany, Vladimir Putin, tamin'ny fifanakalozan-kevitra mafana teo amin'i Hillary Clinton sy Donald Trump. Nofintinin'ny RuNet Echo ireo sioka nandritra ny alin'ny adihevitra nalefan'ny sampam-baovaom-panjakana lehibe indrindra ao Rosia mba hahafantarana izay nanako tao Moskoa.

Manana mpanjohy efa ho 3 tapitrisa ao amin'ny Twitter, ny RIA Novosti, sampam-baovao lehibe mavitrika indrindra ao Rosia ary nanome bilaogy mivantana nandrindra ity adihevitra fahatelo ity. Miseho araka ny filaharany ara-potoana ireto sioka manaraka ireto.

Nipoitra tokony ho 30 minitra teo ity sioka voalohany ity, raha niresaka voalohany ny fiampangana fitsikilovana ataon'ny governemanta Amerikana amin'ny fanjakana Rosiana i Hillary Clinton:

Nanambara i Clinton fa “mitsikilo” ny Amerikana i Rosia

Toa natao hampitsiky ireo mpamaky Rosiana ny tenin'ny RIA, izay nampahatsiahy ny tenin'i Kremlin imbetsaka fa tandindomin-doza noho ny fitsikilovana ataon'ny fanjakana Amerikana, araka ny fanambarana nataon'i Edward Snowden sy ny olon-kafa, i Rosia.

Hoy i Trump, nahoana i Clinton no “tsy tia an'i Putin.”

Mihevitra i Clinton fa te hampiasa an'i Trump ho saribakoly ao amin'ny fiadidiana Amerikana i Putin,

Nanambara i Trump fa ny Fikambanana mpanao asa soa tarihin'i Clinton dia “orinasan-jiolahy”

Nilaza i Trump fa marani-tsaina kokoa noho i Clinton sy Obama i Assad

Nampanantena hanafoana ny fanavaozana ny rafi-pitsaboana napetrak'i Obama i Trump

Amin'ny ankapobeny, nisafidy nifantoka tamin'ny fanehoan-kevitr'i Donald Trump ny RIA, izay toa tsara kokoa ny feony manaitaitra mba hahazoana mpamaky betsaka ao amin'ny media sosialy. Mazava ho azy, nifantoka tamin'ny fotoana nidiran'i Rosia tao anatin'ny adihevitra ihany koa ny sampam-baovao, na dia tsy nisy aza ny sioka mikasika ny resaka lavabe momba ny daroka baomba ataon'ny Rosiana-Syriana ao an-tanànan'i Aleppo, izay nolazain'ny manampahefan'ny departemantam-panjakana Amerikana fa tokony hanaovana fanadihadiana noho ny heloka bevava an'ady.

Teo amin'ny sioka naverina nozaraina “retweets” sy ny “ekeko (j'aime),”ny sioka malaza indrindra amin'ireo etsy ambony dia ilay mampahatsiahy ny fanambaran'i Trump fa “mafy loha sy marani-tsaina noho i Clinton sy Obama ny Filoha Syriana Bashar al-Assad.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.