Tantara tamin'ny Akon'ny RuNet tamin'ny Septambra, 2016
Na Dia Nandoro Tena Aza Ny Lehilahy Iray Tao Crimea Mba Hiarovana Ny Trano Fivarotana Kafe An'ny Vadiny, Narodan'ny Fanjakana Ihany Ilay Izy
Tamin'ny herinandro lasa, Alexander Strekalin, 75 taona, efa misotro ronono, no nanondraka solika 'acétone' tao an-damosiny, notselarany afo avy eo, ary nidaraboka teo amorontsirak'i Primorsky izy avy eo. Andro vitsy taorian'izay, maty noho ireo ratra nahazo azy izy.
Fampirantiana Sary ‘Tsy Mahalala Menatra’ Ao Moskoa Nifarana Nialoha Ny Fotoana Noho Ny Fanerena Avy Amin'ny Mpikatroka Mpandala Ny Mahazatra
Nanery ny Foiben'ny Fakantsary Lumiere Mirahalahy avy ao Moskoa mba hanakatona ny fampiratiana ny sarin'i Jock Sturges ireo mpikatroka mpandala ny mahazatra, nilaza fa nandika ny lalàna miady amin'ny sary mamoafadin'ny ankizy ao Rosia ny asany.
Fiainana Vita Vetaveta Ao Rosia
Herinandro taorian'ny fandraràn'ny mpanivana Rosiana ny tranonkala malaza indrindra ny sarimihetsika mamoafady, namaly tamin'ny alalan'ny flashmob antserasera izay manafangaroharo ny tsikera sy ny fanoherana ny mpiserasera tranonkala tsotra.
Boky Hainahandron'ilay Rosiana Gadra Politika
Very zavatra betsaka ianao rehefa mihiboka am-ponja, saingy ny zavatra iray anananao tsy lany holaniana dia ny fotoana hieritreretana momba izay mahaliana anao sy ny fanatsaràna ny talenta anananao. Mahalala tsara ny fiainana an'io ireo Rosiana gadra politika.
Maika Loatra Nanohana ny Daroka Baomba ao Syria Ilay Mpitari-Dalan'ny Runet, Ka Miatrika Sazy An-tranomaizina Ankehitriny
Miatriaka sazy roa taona amin'ny toby fanasaziana mitokana i Anton Nossik noho ny filazany fa tokony "Hofafana Tsy ho eo Ambonin'ny Tany i Syria."
Noraràn'i Rosia (Indray) Ny Resa-Betaveta Anaty Tambajotra
Roa goavana sy malaza ratsy nefa be mpitsidika indrindra ny PornHub sy YouPorn izay tsy mitaky fampidiraka akory, saingy tamin'ity herinandro ity, tsara ny manamarika fa voaràra ao Rosia ireo tranonkala roa tena goavana amin'ny aterineto ireo.
Vladimir Putin sy ny Vehivavy Sandoka Hanambady Tao Amin'ny Kianja Mena
Tsy ny faha-ela velon'i Moskoa ihany, na izany aza, no nankalazaina: fara fahakeliny toa natao hampahatsiahy ny Rosiana ny ampahany tamin'ny fampisehoana fa tena lehilahy ny filohan'izy ireo, lehilahy matanjaka.
Ankasitrahan'ny Minisiteran'ny Fampahalalam-baovao Okrainiana Noho Ny Asa Mafy Ataony Ny Bots Facebook
Mafàna ny ady bot Facebook eo amin'i Okraina sy Rosia. Hahita lalana hanasaziana ireo mpanao "spam" ve ny governemanta Rosiana?
Taorian'ny Volana Maro Nanoherana, Nandray Vola ihany Nony Farany Ireo Rosiana Mpitrandraka Arintany
Fanoherana naharitra volana iray sy fitokonana tsy hihinana hanina, fa nahazo vola ihany ireo mpitrandraka arintany tao amin'ny faritr'i Rostov no niafaràny.
Nilaza Izy Fa Mahatadidy Zavatra Ny Selan'ny Tranon-jaza.’ Fantaro Ny Mpiadidy Vaovao ny Zon'ny Ankizy Ao Rosia
Mino ny "Telegonia", petrakevitra ara-tsiantifika milaza fa afaka mandova ny toetran'ny sakaiza taloha niray ara-nofo tamin-dreniny ny ankizy ny mpiadidy vaovao amin'ny zon'ny ankizy ao Rosia.