Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Mandika sy mitatitra amin ny aterineto amin'ny fiteny Rosiana ho an'ny mpamaky manerantany ny tonian'ny RuNet Echo ato amin'ny Global Voices.

RSS

Tantara tamin'ny Akon'ny RuNet tamin'ny Jolay, 2011

Belarosia : Ny Atsinanana sy Ny Andrefana, Dia Tsy Misy Na Inona Na Inona Eo Anelanelany ?

"Ny Atsinanana dia Atsinanana ary ny Andrefana dia Andrefana, ary tsy hifanena na oviana na oviana ireo." Io andian-tononkalon'i Kipling io dia toa mampiseho ny zava-misy marina ho an'ny sarambabem-bahoaka ao Belarosia, izay, mifoha anaty tontolo tsy mahalala fomba sy mahery setra, manontany hoe : "Iza no mba miraharaha an'i...

Rosia : Sambom-pizahantany niteraka resabe

Ny folakandron’ ny Alahady 10 jolay 2011, dia nitsimbadika teo amin'ny tohodranon'i Kouibychev tao amin'ny ony Volga ilay sambo fitsangatsanganana “Bulgaria”. Araka ny atontan'isa ofisialy, dia mpandeha 129 no mbola tsy hita popoka sy heverina ho natelin'ny rano. Matetika rehefa mandre loza sy voina tahaka izao ny olona dia mampahatsiahy ny toe-javatra...

Rosia: Misafidy ny sainan'ny tanànany ny bilaogeran'i Vladivostok

As the Asia-Pacific Economic Cooperation (APEC) summit of 2012 approaches, local authorities of the Russian maritime city of Raha manantomotra ny Vovonan'ny Fiaraha-miasa ara-toekarena Azia sy Pasifika (APEC) 2012, sahirana anaty fikarakarana Vladivostok, ny mpisera tia famoronana kosa nanoratra fa tsy manana saina ofisialy [ru] handraisana ny lanonana ny tanàna....

Rosia: Nipoitra Indray Ilay Fikambanana Mpanao Asa Soa “Nanjavona”

Tena nanohina ny fo ny fahaizan'ny Praiminisitra Rosiana Vladimir Putin nilalao piano sy nihira ilay hira “Blueberry Hill” tamin'ny fampisehoana ho an'ny asa fanaovan-tsoa natao tamin'ny volana desambra 2010 saingy  nosembanin-drahona izany noho ny fiampangana ny Fikambanana  Federaciya’ (Federation) ho mikasa hanjavona miaraka amin'ny vola voaangona nandritra io fampisehoana io....

Rosia: Ireo Hagaigen'ny Ministera Tao Amin'ny Aterineto

Ny Ministera Rosiana misahana ny Raharaham-Bahiny (MVD) dia vao avy nanomboka fanentanana tao amin'ny Aterineto ary tato anatin'ny tapa-bolana dia hetsika goavana roa no nahasarika ny saina tamin'ireo hetsika nataon'ny Ministera.