Tantara tamin'ny Akon'ny RuNet tamin'ny Oktobra, 2019
Rosia: Nisondrotra ny saran'ny fiarakaretsaka ary miseho ny mpisoloky amin'ny hafatra an-tsoratra taorian'ny daroka baomba Moskoa
(2010) Mielipatrana ny fiantraikan'ny daroka baomba tanaty metro vao haingana. Misaona ireo niharam-boina ny vahoaka, mitady valiny amin'ireo fanontaniana maro, mandinika ny ho avin'i Rosia ary maneho fahatezerana amin'ireo ... mpamily fiarakaretsaka sy mpisoloky amin'ny hafatra an-tsoratra izay toa manararaotra ny voina.
Rosia: Hazo Noely adala ao Vladivostok
Tsy afaka mihitsy amin'ny vazivaziny izay manakana azy ireo amin'ny fahaketrahana maharitra ireo mponin'i Vladivostok, tanàna seranan-tsambo Rosiana lehibe indrindra any amin'ny Ranomasimbe Pasifika. Mihomehy amin'ny zava-drehetra izy ireo, na izany fitohanana mahatsiravina, na filatsahan'ny ranomandry manaitra, ny ravaky ny hazo noely na hetra vaovao amin'ireo fiara Japoney nafarana.
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...