Tantara tamin'ny Akon'ny RuNet tamin'ny Jona, 2017
Mampitsahatra ny Tranokalan'ny Mpanivan'ny Fanjakana Rosiana Ireo Mpiady Anaty Akata Nomerika
Ny fomba namitahan'ny mpijirika ireo mpamatsy tolotra Aterineto tamin'ny nibahanany ny vohikala mpanivan'ny fanjakana.
Lahatsarin-kira Okrainiana Iray Mahatalanjona Aseho Ao Anatin'ny Efijery Apple Miisa 14
Namolavola lahatsarin-kira mahatalanjona hahafaly ireo mpankafy ny Apple ny tarika Okraniana iray .
‘Iza no Manana Sarintena “Selfie” Be Indrindra?’ Sambany Nihaona Tao Amin'ny Parlemanta Rosiana Ny Filankevitr'ireo Bilaogera
"Manana [sarintena] maherin'ny iray alina aho," hoy i Zhirinovsky nivazivazy. "Iza no manana betsaka noho izaho? Tsy misy!"
Mandoto Rindrina ny Biraon'ny Mpampanoa Lalàna Mialoha ny Hetsi-panoherana Kinasa Mandritra ny Fetim-pirenena Rosiana ny Mpijirika
Ny alina mialoha ny hetsi-panoherana miady amin'ny kolikoly manerana ny firenena , niditra an-tsokosoko tao amin'ny tranonkalan'ny Biraon'ny Mpampanoa Lalàna ao amin'ny faritra Yaroslavl ny mpisovoka ary nandefa hafatra.
Fahasamihafàna, Voasakana: Simban'ny Ady Masina Amin'ny Pelaka Ny Endrika Fandeferan'i Okraina
Koa satria miditra amin'ny herinandro farany ny Fifaninanan-Kira Eurovision amin'ity taona ity, nisy andohalambo miendrika avana miloko amin'ny ampahany natao ho fanamarihana ny teny fanevan'ilay hetsika, "Ankalazao ny Fahasamihafàna", nanidintsidina toa mampatahotra teny ambonin'ny afovoan-tanànan'i Kiev.
Namoaka Ny Fanisanandron'ny ‘Fanamelohana Ho Faty’ Ny Sampandraharahan'ny Fonja Federaly Ao Rosia
Manasongadina ny fomba fitantanana ny fanamelohana ho faty samihafa isam-bolana ny fanisanandro mitondra ny lohateny hoe "Ny Fomba Ambony Indrindra amin'ny Fitsarana Ara-tsosialy".
Mety Hanafoana Ny Lalànan'ny Lisitry Ny Bilaogera Tsy Nahomby I Rosia
Nampiditra lalàna manafoana ilay antsoina hoe ny "Lisitry ny Bilaogera" izay noforonina tamin'ny taona 2014, mikasika ireo bilaogera malaza miaraka amin'ny lalàna manokana ny mpanao lalàna Rosiana ao amin'ny Duma.
Miroso Amin'ny Fandraràna Ny Tsy Fitononana Anarana Amin'ireo Fampiasa Fandefasana Hafatra Ny Parlemanta Rosiana
Nankatoavin'ilay Kaomity momba ny Fampitàmbaovao sy ny Teknolojia ao amin'ny Domà ny volavolan-dalàna iray niteraka resabe izay mety handràra ny tsy fitononana anarana amin'ireo fandefasana hafatra ety anaty aterineto. Isisihan'ilay kaomity ao amin'ny Domà ny handinihana ilay volavolan-dalàna amin'ny famakiana azy voalohany
Mamela ny Ivoahan'ny Dokambarotra Ara-politika Ankehitriny Ny Tambajotra Sosialy Lehibe Indrindra Ao Rosia, Saingy Tsy Ho An'ny Rehetra Izany
Nandrarà ny dokambarotra ara-politika ny Vkontakte, tambajotra sosialy malaza indrindra ao Rosia, miaraka amin'ny famerana hentitra izay hitondra tombontsoa ho an'ny fijoroana ara-politika ao amin'ny firenena
Nangataka Famandrihana PornHub Premium Iray ny Mpanivana Aterineto Ao Rosia. 10 no Nomen'ny PornHub Azy
Nanome ny Mpanara-maso ny Aterineto ao Rosia fisoratana anarana Premium maimaim-poana miisa 10 ny PornHub izay nozaraina "ho fahalalahan-tanana" ny antsasany amin'izany.