Tantara tamin'ny Akon'ny RuNet tamin'ny Jolay, 2016
Naninona i Google No Nanova Anaran-tanàna Tamin'ny Sarintanin'i Krimea—Ary Maninona No Averina Amin'ny Laoniny Indray
Tahaka ny mazia ny nanovan'ny Google Maps indray alina monja ny anara-tanàna sasany ao Krimea—saingy niteny ankehitriny ny orinasa fa ho averina toy ny tamin'ny endrika sarintany Rosiana voalohany izany.
Atleta Rosiana Voamarika ho “Mpamadika” Noho Ny Fandraisany Anjara Amin'ny Lalao Olaimpika Any Rio
Ifarimbonan'ny mpisera aterineto any Rosia gidragidraina ilay mpanao vikindava Darya Klishina noho ny fanekeny handray anjara eo ambany faneva tsy miandany amin'ny lalao olaimpika fahavaratra any Rio.
Niala Ny Komisera Misahana Ireo Zon'ny Ankizy Ao Rosia, Nefa Mahatsiaro Azy Izahay Amin'ireto Zavatra Fito Ireto
Mitanisa ireo fotoana fito tena nisongadina nandritra ny asany ny RuNet Echo, eto am-pisarahantsika amin'ilay kaomiseran'ny zon'ny ankizy tao Rosia nandritry ny fotoana lavabe.
Maminavina Indray An'i Pokémon Go Ho Mpilalao Sarimiaina Sovietika Ireo Mpanakanto Rosiana
Tia sarimiaina Sovietika ? Naminavina indray ireo mpilalao ankafizin'ny olona ho toy ny zavamiaina ao amin'ny kilalao Pokémon Go ireo mpanakanto Rosiana.
Dimy ambiroapolo Taona Lasa Izay, Nampientanentana An'i USSR Ny McDonald’s -ny Voalohany. Ankehitriny Any Siberia i Joy.
Raha tsy mahavita mampihetsi-bolo ireo mponin'ny andro maoderin'i Maosko intsony ireo tambajotranà fivarotana sakafo vita haingana lehibe indrindra erantany, mbola mahavita mamaky sehatra vaovao any Rosia ihany ny McDonald's.
Mpahandro Sakafo “Tian” i Valdimir Putin Indrindra: Voarohirohy Amin'ny Fanafihana Mpanao Gazety sy Mpikambana Amin'ny Mpanohitra
Mieritreritra ireo niham-boina fa voakendry noho ireo lahatsoratra sy sary nozarainy tany amin'ny tambajotra sosialy izy ireo. Io, araka ny fahitana azy, dia ampy nandranitana ireo sasany tsy mitonona anarana, milaza ny tenany ho ''tia tanindrazana.''
Mitady Tonian-dahatsoratra Ho An'ny Tetikasa RuNet Echo ny Global Voices
Raha liana ianao dia aoka mba handefa ny mombamomba anao, fanoratana santionany, ary taratasy manazava ny antony maha kandidà mahomby anao amin'ilay asa
Bibikelin'ny Telegram Mamoaka Ny Resaka Anatiny Nifanaovan'ny Mpiasan'ny Fahitalavitra Rosiana Iray Any Amin'ny Mpisera Iray Hafa
Nitatitra ny mpisera Telegrama Rosiana iray fa naharay filazana hafahafa avy amin'ny karajia Telegram izay tsy mpikambana azy akory. Ahoana ary inona no antony nahatonga izany? Ary inona no lazain'izany momba ny rafi-pifandraisana voalaza fa voaaro ao amin'ny Telegram?
Tsy Nitaredretra Tamin'ny Fanivànana Ny Aterineto I Rosia 2 Volana Alohan'ny Fifidianana Parlemantera
Nanakana tranonkala efatra izay nanao antso hanaovana ankivy amin'ny fifidianana parlemantera amin'ny Septambra ho avy izao miaraka amin' ireo tetika hanaovana hetsi-panoherana mba hanakorontanana ny fifidianana ny governemanta Rosiana tamin'ny 8 Jolay
Tahaka Izao No Mitranga Raha Manafoana Fampisehoana Mozika Elektronika Bonanza Tampoka i Moskoa
Tsy misy olona mankasitraka ny fanafoanana ny fandaharam-potoanan'izy ireo, ary ny andro nandràran'i Moskoa izany mozika malaza goavana izany no andro niovan'ireo mpisera Facebook Rosiana ho manam-pahaizana momba ny fitantanana fampisehoana.