Tantara tamin'ny Akon'ny RuNet tamin'ny Septambra, 2015

Fampiharana Vaovao Amin'ny Finday, Manampy Ny Belorosiana Hanara-maso Ny Fihoaram-pefy Amin'ny Fifidianana Ho Filoha

Ireo mpamorona ny "Вочы" (Vochy, "Maso" amin'ny fiteny Belarosiana ) dia manantena fa hanampy amin'ny fanitarana ny fahalalàn'ireo olompirenana ny zotram-pifidianana manontolo sy ny zony amin'ny maha-mpifidy azy ilay fampiharana vaovao amin'ny finday. Andrandrain-dry zareo ihany koa izy io hanome fahafahana ho an'ireo mpifidy mba hitatitra malaky ireo fihoaram-pefy amin'ny fifidianana ho any amin'ireo mpanaramaso tsy miankina.

22 Septambra 2015

Raràn'ny Rosia Ny Fandefasana Ny Lahatsarin'ilay Fehinteny Mirehidrehitra Nataon'ny Lehiben'ny Mpanohitra Tao Amin'ny Efitrano Fitsaràna

GV Mpisolovava

Andiana lahatsary maromaro miresaka politika ao amin'ny Yuotube ary manasongadina ny antso ho fikatrohana hanohitra an'i Putin no noraràn'i Rosia tsy ho azo alefa. Indrindra indrindra, noraràn'ny manampahefana ireo lahatsary avy amin'ilay lehiben'ny mpanohitra misy ny fehinteny nanambaràny nandritry ny raharaham-pitsaràna azy

15 Septambra 2015