Tantara tamin'ny Akon'ny RuNet tamin'ny Avrily, 2015
Valinteny Manoloana ny Fisalasalana amin'ny Roboton'i Kremlin
Rehefa nahasarika ny sain'ny maro tao amin'ny fampahalalam-baovao Rosiana sy ny tambajotra sosialy ny fanadihadiana momba ny tambajotra nataon'i After Alexander momba ireo roboto, miresaka momba ireo fisalasalana sasany momba ny tambajotra roboto sy ny fiavian'izy ireo izy ankehitriny.
Tia Hampiheritreritra Anao ny ‘Anonymous International’ Hoe Tsy Afaka Manafina Na Inona Na Inona Kremlin
Mbola manohy manaporitsaka ireo fifandraisana manokan'ny governemanta ihany ny 'Anonymous International' any Rosia, raha mbola mijanona ho feno misitery ireo fomba fiasa sy antony anaovan'ilay vondrona izany.
Misy Sahady Hira Rap Natao Ho An'ireo Tanora Mitafy Toy Ny Tantely Mampandihy Vody Ao Rosia
Nanova ny sariny tao amin'ny VKontake ny sasany tamin'ireo tanora any Orenburg, VKontake ilay tambajotra be mpampiasa indrindra ao Rosia, ho lasa teny mivaky hoe, “Tsy mila miady izahay, Mandihy no ilainay"
Rosiana Enimpolo Tapitrisa Isan'andro No Miditra Aterineto
Ambony dia ambony ankehitriny ny fidirana aterineto ao Rosia raha oharina amin'ireo firenen'ny BRICS na CIS, saingy ambany kokoa raha oharina amin'ireo firenena Baltika, olon-dehibe Rosiana maherin'ny 60 isan-jato no zatra miditra aterineto.
Manamafy Ny Fifehezany Ny Aterineto Amin'ny Alalan'ny Didy Hitsivolana Vaovao i Belarosia
Amin'ny ezaky ny governemanta hiady amin'ny trafikan-drongony, hotakiana amin'ireo mpamatsy tolotra aterineto ao Belarosia ihany koa ny hitehirizana ireo rakitsoratra feno misy ny tantaran'ny fiseraseran'ny mpampiasa aterineto .