Tantara tamin'ny Akon'ny RuNet tamin'ny Aogositra, 2012
Mampikorontan-tsaina An'i Zeorzia Ny Sarin'ady Ataon'i Rosia
Amin'ity Septambra ity, miomana ny hanao ny 'Caucasus-2012' miaraka amin'ireo tafiky avy amin'ireo faritra nihataka tamin'i Zeorzia, faritanin'i Abkhazia sy Ossetia Atsimo. Caucasus-2012 dia hatao any amin'ny faritra Kaokazy Avaratra, ary hahitàna fandraisan'anjaran'ny [ru] miaramila 8.000, hatraminà fitaovana mavesatra, artillerie, sambo, ary fiaramanidina mpiady. Io no ho fanazarantena lehibe indrindra nataon'ny Rosia tamin'ity taona ity. Hampitony ny Zeorziana ve izany?
Rosia: Adim-bavy Ara-politika Manoloana Ny Pussy Riot
Niteraka adi-hevitra tsy kely eo amin'ny olona fanta-bahoaka Rosiana ny fitsarana ireo Pussy Riot, , ka tafiditra amin'izany ny gidragidra mampihomehy nisy teo amin'ny olona roa fanta-daza indrindra teo amin'ny firenena.
Rosia : Miala Any Ny “Pussy Riot” & Ny Fitsarana Ao Rosia
Ny 2 Aogositra, efatra andro talohan'ny fitsarana ny Pussy Riot , dia nisy fiakarana fitsarana hafa indray tao Yekaterinburg, ilay foibem-paritry ny Urals. Tsy tahaka iry namany malaza be, tsy dia nahasarika loatra ny sain'ny olona ity fitsarana ity, na tanaty aterineto izany, na teny anaty fampahalalam-baovao, noho ny fahitana azy ho toy ny mari-pamantarana fotsiny ny tsy fetezana eo amin'ny fitondrana ny lalàna sy ny filaminana ao Rosia.
Okraina, Rosia: Resabe Momba Ny Toerana Nahaterahan'Ireo Mpifaninana Amin'ny Lalao Olaimpika
Tsara, fa tsy loharanom-baovao iray tena azo iankinana momba ireo mpikambana ao anatin'ny ekipa Rosiana teraka tany ivelany ny vohikala ofisialin'ny Lalao Olaimpika 2012 ao Londona. Nangataka fanitsiana, nanomboka fanentanana fanoherana amin'ny alalan'ny fanoratana taratasy ireo Okrainiana mpampiasa aterineto, ary na ny Minisitry ny Raharaham-bahiny aza dia tafiditra anatin'izany tamin'ny alalan'ny Twitter.
Rosia : Resaka nifanaovana tamin’i Jesse Heath, mpanoratra ny bilaogy The Russia Monitor
Ny bilaoginy The Russia Monitor izay mandinika ny fironana vaovao eo amin’ny toe-karena, politika ary ny fanao ao amin'ny fanaovan-dalàna Rosiana. Ny fomba filazany ny lafiny ara-teknika ireo toe-javatra sahanina no...