Navoakan'ny Mpijirika Ireo Imailaky ny Mpanampy Ao Kremlin, Voalaza Fa Miaty Drafitra Fanakorontanana An'i Okraina

Vladislav Surkov. Source: Wikimedia Commons.

Vladislav Surkov. Loharano: Wikimedia Commons.

Ny Talata, ny vondrom-piarahamonin'ireo Okrainiana mpijirika “Kiberkhunta” (CyberJunta) dia namboraka imailaka maherin'ny 2.000 avy ao anaty boatin-kafatr'i Vladislav Surkov, iray amin'ny mpanampy ny filoha Rosiana Vladimir Putin, izay matetika no voatanisa ho mpanolotsaina fototra amin'ny politikan'i Kremlin momba an'i Okraina. Ireo imailaka tafaporitsaka, izay mitondra ny daty 24 Septambra 2013, sy 25 Novambra 2015, dia heverina ho fijirihana tsy mbola nisy toa azy tamin'ny imailaka manokan'ireo mpitondra antampony ao Kremlin.

Ity poritsaka manaraka ity, ny Alatsinainy teo, dia lazaina fa antontan-taratasy roa nalefan'i Surkov namariparitra ny eritreritr'i Kremlin hanakorontana an'i Okraina eo anelanelan'ny Novambra 2016 sy Martsa 2017. Nahitàna ihany koa imailaka nalefa ho an'i Surkov tamin'ny 26 Aogositra 2016 ireo antontan-taratasy ireo, avy amin'ny mpanampy azy, Pavel Karpov (izay lazain'ny Kiberkhunta ho nanasonia antontan-taratasy tamin'ny anaran'i “Nikolai Nikolaievich Pavlov”) nitondra ny lohateny hoe “Drafitry ny Hetsika Laharam-pahamehana amin'ny Fanozongozonana ny Toedraharaha Politika sy Sosialy ao Okraina,” ary “Drafitry ny Hetsika Mivaingana ho Fampiroboroboana ny Sata Federalin'ny Oblast Zakarpattia.”

Ny antontan-taratasy voalohany dia manome antsipirihany ny “Crankshaft,” hetsika iray ikendrena ny hanozongozonana an'i Okraina amin'ny fiarahana miasa amin'ireo antoko mpanohitra, isan'izany ny Mandan'ny Fanoherana (mpandimby ny Antokom-Paritry ny filoha fahiny Viktor Yanykovych), Batkivshchyna (antoko iray tarihan'ny praiminisitra taloha Yulia Tymoshenko), ary ny Antoko Radikaly (antoko iray tarihan'ilay demokraty Oleh Lyashko) mba hikarakara “hetsi-panoherana manerana ny firenena” ao anatin'ny tapany faharoa amin'ny Novambra 2016.

Araka ny taterin'ny Gordonua.com, mba “hampitsimbadihana ny fihevitry ny vahoaka,” dia entanin'ilay antontan-kevitra ny handefasana lahatsary sy rakipeo hosoka, ary pikantsary tamin'ireo taratasim-pifandraisana teo amin'ny filoha Okrainiana Petro Poroshenko sy ireo mpiaradia aminy, izay manome antsipirihany ny kolikoly any amin'ny faratampony amin'ny politika Okrainiana. Sosokeviny ny “hampiasana amin'ny fomba miafina”  ireo solombavambahoaka Mustafa Nayyem, Sergei Leshchenko, Svetlana Zalishchuk, sy Olga Chervokava, izay lasa nalaza tamin'ny fanadihadian'izy ireo manohitra ny kolikoly.

Ny antontan-taratasy faharoa dia manome antsipirihany ny drafitra iray hanomezana ny Oblast Zakarpattia ny “fizakantenany, ny sata federaly ao anatin'ny faritra Okrainiana,” ka amin'izany dia io no hanohana ireo fikambanana Ruthenian ao an-toerana.

Tsy vitan'ny RuNet Echo ny nanamarina ny maha-tsy hosoka ireo antontan-taratasy ireo, na dia nanamafy aza ny Sampam-Piarovana Okrainiana (SBU) fa tena izy ireo: tao anaty tafa iray ho an'ny fantsona TV “112” tamin'ny Talata, nolazain'i Aleksandr Tkachuk, mpitarika ny SBU, fa nohamafisin'ny SBU ny fahamarinan'ny “ankamaroan'ireo antontan-taratasy”.

Omaly i Anton Gerashchenko, Okrainiana mpanao lalàna no sady mpanolotsaina ny minisitry ny atitany, dia nanoratra tao amin'ny Facebook : “Ny fijirihana ny imailak'i Vladislav Surkov—marina io. Tena izy ireo antontan-taratasy navoakan'ny Kiberkhunta.”

Pikantsarin'ny imailak'i Surkov voajirika

Ny Talata, navoakan'ireo mpijirika ihany koa ny dika avy amin'ireo pasipaoron'i Surkov sy ny vady aman-janany, izay ambaran-dry zareo fa manamafy ny maha-tena izy ilay poritsaka :

Namoaka dika tamin'ireo pasipaoron'ny Surkov sy ny vadiny ny Kiberkhunta, manamafy fa voajirika ny imailakany.

Toy ireo imailaka voajirika, tsy manamarina ny maha-tena izy an'ireo antontan-taratasy ny dika avy amin'ireo pasipaoro ; azon'ny Kiberkhunta natao, ohatra, ny nijrika ny imailak'i Surkov mba hahazoana sary hatao amin'ilay pasipaoro ary avy eo namorona ireo drafitra hanakorontanana an'i Okraina.
Ny Talata, namaly ny filazan'ireo mpijirika i Dmitry Peskov, Sekreteran'i Kremlin misahana ny fifandraisana amin'ny gazety:

Знаю Суркова больше десяти лет, ему все время что-то приписывается то ли нашими хакерами, то ли зарубежными хакерами. Он очень талантливый человек, и поэтому, естественно, все стремятся ему что-то приписывать. Чаще всего это не соответствует действительности

Efa maherin'ny taona folo no nahalalàko an'i Surkov, ary ireo mpijirika eto an-toerana sy iraisampirenena dia miezaka mandrakariva ny hanoso-potaka azy. Olona tena manan-talenta izy, ary noho izany, miezaka ny hanoso-potaka azy daholo ny rehetra. Efa im-betsaka mihitsy, tsy mifandraika amin'ny tena zavamisy izy ireny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.